Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Dia nitodika i Jesoa nijery ny mpianatra ary niteny mafy an’i Petera nanao hoe: –Mialà amiko, ry Satàna, satria tsy hevitr’Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr’olombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Fa Izy nitodika dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mandehana any aorianako, ry Satana! Satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao fa izay an’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Dia nitodika i Jesoa nijery ny mpianatra ary niteny mafy an’i Petera nanao hoe: –Mialà amiko, ry Satàna, satria tsy hevitr’Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr’olombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

33 Fa Izy nitodika dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’i Petera hoe: Mandehana any aorianako, ry Satana! Satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao fa izay an’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:33
24 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly i Abisay, zanakalahin’i Tseroià ka nanao hoe: –Maivana raha izany no antony tsy hahafaty an’i Simehỳ, satria efa nanozona ny mpanjaka voahosotry ny TOMPO izy.


Dia hoy i Jôba namaly azy: –Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy? Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.


Raha ny olo-marina hikapoka ahy, dia mari-pitiavana izany; raha hananatra ahy koa izy, dia ilomanitra soa indrindra izany ka enga anie tsy holavin’ny lohako! Fa ny fivavahako anie hitohy hatrany hanoherana ny haratsian’ny mpanao heloka!


«Aza mankahala ao am-ponareo ny mpiray firenena aminareo fa anaro tsara izy mba tsy hahazoanareo heloka noho ny aminy.


Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin’ny mpianany ary nangatahany hoe: –Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy.


Dia nitodika i Jesoa ary nanao tamin’i Petera hoe: –Mialà amiko, ry Satàna! Ndeha atsy aoriako! Mitarika Ahy amin’ny ratsy ianao, satria tsy hevitr’Andriamanitra no ao an-tsainao fa hevitr’olombelona.


Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!»


Dia natopiny tamin’ireo olona nipetraka nanodidina Azy ny masony ka hoy Izy: –Ireto no reniko sy rahalahiko.


Dia tezitra i Jesoa nanopy maso manodidina nijery azy ireo, sady nalahelo tokoa noho ny hamafin’ny fony, ka niteny tamin-dralehilahy hoe: –Atsory ny tananao! Dia natsotran’ilay marary ny tanany ka sitrana.


Ary nitodika nijery an’i Petera ny Tompo ka tsaroan’i Petera ny tenin’ny Tompo fony Izy nilaza taminy hoe: «Alohan’ny maneno akoho anio, dia handà Ahy intelo ianao.»


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitra no hiankohofanao ary Izy irery no hivavahanao.»


Fa nitodika tamin’izy mirahalahy i Jesoa ka nananatra azy mafy.


koa atolory an’i Satàna izany lehilahy izany, mba horavana ny maha olona mpanota azy ka hovonjena ny fanahiny amin’ilay andro hiavian’ny Tompo.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Izay loholona manota dia teneno eo anatrehan’ny besinimaro mba hatahotra koa ny sasany.


Azo antoka izany zavatra ijoroany ho vavolombelona izany. Koa reseo lahatra ireo mba hanana finoana tsy misy tomika,


Noho i Kristy efa nijaly tao amin’ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin’ny nofo dia nampitsaharina tamin’ny ota,


Aza mankamamy an’izao tontolo izao, na ny zavatra izay ao amin’izao tontolo izao. Raha misy olona mankamamy an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatin’izany olona izany ny fitiavana ny Ray.


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra