Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Dia nantsoin’i Jesoa niaraka tamin’ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Dia nantsoin’i Jesoa niaraka tamin’ny mpianatra ny vahoaka hankeo aminy ka nilazany hoe: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany, ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: «Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:34
43 Rohy Ifampitohizana  

efa nesoriko ny fanjakana ho afaka tamin’ny taranak’i Davida ka nomeko anao; nefa ianao tsy mba nanao tahaka an’i Davida mpanompoko izay nitandrina ny didiko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony manontolo ka tsy nanao afa-tsy izay mahitsy eo imasoko.


Fa i Kaleba mpanompoko, izay nanam-panahy hafa ka tsy nisalasala nanaraka Ahy, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany; ary hahazo izany tany izany ny taranany,


Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy miaraka amiko dia tsy mendrika Ahy.


Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


Vao tafavoaka ny tanàna ireo miaramila, dia tojo lehilahy sireneanina atao hoe Simôna, ka nanery azy hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.


Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe: –Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.


Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy indray ny vahoaka sady nilazany hoe: –Mihainoa Ahy ianareo rehetra ka mahafantara.


–Ataovy mihitsy izay hahatafiditra eo amin’ny varavarana èty: fa maro, hoy Aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka!


Ary nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!


Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!


Raha mbola mihaino Azy eo ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:


Ary hoy i Jesoa tamin’ny olona rehetra: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka handà ny tenany, ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hiaraka amiko,


Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy.


Ary ny tenan’i Jesoa no nitondra ny hazofijaliany, ka niainga ho any amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebreo.


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia efa niara-novonoina tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana, mba ho levona ny tenantsika gejain’ny fahotana ka tsy ho mpanompon’ny fahotana intsony isika;


Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain’Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin’i Kristy: satria raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.


Ry havako, hila ho faty isan’andro vaky aho: lazaiko marina aminareo izany satria ianareo no reharehako ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.


Koa raha izay hanina àry no hitarika ny havako amin’ny fahotana, dia tsy hihinan-kanina mandrakizay aho mba tsy hitarika ny havako amin’ny fahotana.


Olona tsy mpanompon’iza na iza tokoa aho, kanefa dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra hahazoako maro araka izay tratra.


ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin’ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin’ny finoana niainan’ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy:


Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany.


Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa tamin’ny alalan’ny hazofijaliany no efa maty izao tontolo izao raha ny amiko, ary izaho kosa efa maty raha ny amin’izao tontolo izao.


Ny hany iriko dia ny hahalalako an’i Kristy, ka hahatsapako ny herin’ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanahafako Azy amin’ny fahafatesany;


Kanefa ireo zavatra izay noheveriko ho tombony ho ahy ireo dia ataoko ho tsinontsinona kosa ankehitriny noho ny amin’i Kristy.


Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana.


Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena).


Izany no lazainay dia satria renay fa misy aminareo kamo tsy miasa fa manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa.


Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an’Andriamanitra sy handà ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao.


Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin’i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy.


Noho i Kristy efa nijaly tao amin’ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin’ny nofo dia nampitsaharina tamin’ny ota,


Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.


Eny, fantatro fa ho avy faingana ny fanesorana ahy amin’ity fiaina-mandalo ity, araka ny efa nasehon’i Jesoa Kristy Tompontsika tamiko.


Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: i Jesoa Kristy dia nahafoy ny ainy hamonjeny antsika; ary isika koa dia mba tokony hahafoy ny aintsika hamonjena ny namana.


Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra