Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Ary mazava tsara no nanaovan’i Jesoa izany teny izany. Fa i Petera kosa nitondra Azy hihataka kely sady niteny Azy mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Ary mazava tsara no nanaovan’i Jesoa izany teny izany. Fa i Petera kosa nitondra Azy hihataka kely sady niteny Azy mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:32
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Petera kosa nitondra an’i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe: –Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!


I Jesoa anefa natory teo amin’ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: –Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?


Fa i Marta kosa sahirana tamin’ny raharaha isan-karazany; dia niato izy ka nanao hoe: –Moa tsy mampaninona Anao ve, ry Tompo, izao amelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery izao? Mba asaovy manampy ahy re izy!


Koa nitangoronan’ny Jiosy Izy nanontaniany hoe: –Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay!


Izay i Jesoa vao nilaza mazava taminy hoe: –Maty i Lazara!


–Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray.


Dia hoy ny mpianatr’i Jesoa taminy: –Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manana fanoharana akory.


ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho dia niteny an-karihary tamin’izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy teo an-kianjan’ny tempoly izay ivorian’ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra