Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianatra i Jesoa hoe: –Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ary nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona ary holavin’ireo loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona ary ireo mpanoradalàna ka hovonoiny, kanefa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Dia nanomboka nilaza tamin’ny mpianatra i Jesoa hoe: –Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka holavin’ny loholona sy ny lohandoha-mpisorona ary ny mpahay lalàna, dia hovonoina ho faty; nefa andro fahatelo aorian’izany, dia hitsangana velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Ary nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona* ary holavin’ireo loholona sy ireo lehiben’ny mpisorona ary ireo mpanoradalàna* ka hovonoiny, kanefa rehefa afaka hateloana dia hitsangana indray Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:31
27 Rohy Ifampitohizana  

Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga vatofehizoro.


Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika.


Rehefa afaka roa andro, dia hovelominy indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany indray isika ho velona eo anatrehany.


Nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny trozona i Jônà; toy izany koa, hitoetra telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany ny Zanak’olona.


Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: –Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin’ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»


ka nanao hoe: –Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: «Amin’ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.»


Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro;


Alohan’izany anefa, dia tsy maintsy hijaly mafy Izy ary holavin’ny olona ankehitriny.


Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia, alohan’ny hidirany any amin’ny voninahiny?


Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.


Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin’ny andro farany;


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ravao ity tempoly ity ary ao anatin’ny telo andro dia hajoroko indray!


Io ilay Mosesy nolavin’ny Israelita ka nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?», kanefa nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nombàn’ny herin’ilay anjely niseho taminy tanatin’ny roimemy.


nalevina, nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina,


Fa ankehitriny kosa ianareo dia efa nandà ny Andriamanitrareo Izay namonjy anareo tamin’ny andro mahory sy fijaliana rehetra, ka hoy ianareo taminy: «Omeo mpanjaka izahay!» Noho izany, dia mankanesa ianareo eo anatrehan’ny TOMPO araka ny fokonareo sy fianakavianareo avy.


Nefa hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Ekeo ny fangatahan’ny vahoaka amin’izay rehetra lazainy aminao; satria tsy ianao akory no laviny, fa Izaho mihitsy no tsy tiany ho mpanjakany intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra