Marka 8:17 - DIEM PROTESTANTA17 Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy taminy: –Nahoana ianareo no miady hevitra ny amin’ny tsy nitondranareo mofo? Mbola tsy takatrareo ary tsy fantatrareo foana ve? Fa dia mafy fo ve ianareo? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Ary fantatr’i Jesosy izany dia niteny taminy Izy hoe: Nahoana ianareo no mifampiresaka hoe tsy manana mofo? Tsy mbola azonareo an-tsaina na tsy fantatrareo ihany va? Efa mafy fo va ianareo? Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy taminy: –Nahoana ianareo no miady hevitra ny amin’ny tsy nitondranareo mofo? Mbola tsy takatrareo ary tsy fantatrareo foana ve? Fa dia mafy fo ve ianareo? Jereo ny tokoBaiboly Katolika17 Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy: «Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy misy hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo? Donto ny fonareo? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana hianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va hianareo? Efa mafy va ny fonareo? Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo? Jereo ny tokoLa Bible en Malgache17 Ary fantatr’i Jesosy izany dia niteny taminy Izy hoe: Nahoana ianareo no mifampiresaka hoe tsy manana mofo? Tsy mbola azonareo an-tsaina na tsy fantatrareo ihany va? Efa mafy fo va ianareo? Jereo ny toko |
Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanintelony: –Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao? Dia nalahelo i Petera fa nataon’i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy: –Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo ondriko.