Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 8:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Mana-maso ianareo ka no tsy mahita, ary manan-tsofina ka no tsy mandre? Tsy tsaroanareo angaha?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Mana-maso nefa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina nefa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Mana-maso ianareo ka no tsy mahita, ary manan-tsofina ka no tsy mandre? Tsy tsaroanareo angaha?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary tsy mahatadidy va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Mana-maso, fa tsy mahita va hianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va hianareo? Ary tsy mahatadidy va hianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Mana-maso nefa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina nefa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 8:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Ho fandrika ho an’ny fahavaloko anie ny sakafony ary ho tonga hahavoa azy ny sorom-pihavanana hohaniny!


Tsy mahalala na inona na inona sady tsy misaina ireny olona ireny, voatampina ny masony ka tsy mahita sady donto rahateo koa ny fony.


Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.


«Ry ilay taranak’olombelona, monina eo anivon’ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.


hany ka «hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin’Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.»


«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.»


araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nomen’Andriamanitra fanahy mahadonto izy ireo ka ny masony tsy mahita ary ny sofiny tsy mandre mandraka androany.»


Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.


Tsy tadidinareo ve fa voalazako anareo izany fony aho mbola tatỳ aminareo?


Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo an’izany zavatra izany aho, na dia efa mahalala aza ianareo sy efa miorina mafy amin’ny hafatra marim-pototra izay anananareo ankehitriny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra