Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 2:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra i Davida tamin’ny andron’i Abiatara mpisorombe, ary nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra; kanefa izany mofo izany tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Dia nomen’i Davida koa ireo olona niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, kanefa io mofo io dia mahadiso raha misy homana azy, afa-tsy ny mpisorona; ary nomeny koa izay nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Niditra tao an-tranon’Andriamanitra i Davida tamin’ny andron’i Abiatara mpisorombe, ary nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra; kanefa izany mofo izany tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Dia nomen’i Davida koa ireo olona niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Fa niditra tao amin’ny tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Abiatara mpisoronabe* izy ka nihinana ny mofo atao fanatitra, kanefa io mofo io dia mahadiso raha misy homana azy, afa-tsy ny mpisorona; ary nomeny koa izay nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 2:26
18 Rohy Ifampitohizana  

Tafaraka tamin’i Davida koa i Tsadôka sy ireo Levita rehetra nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra. Napetrak’ireo ilay Vatamasina, ary nanolotra sorona kosa i Abiatara mandra-pahatafavoaka ny olon-drehetra tao an-tanana.


Dia nitondra ny Vatamasin’Andriamanitra niverina tany Jerosalema i Tsadôka sy i Abiatara, ka nitoetra tany.


Ho eo anilanao any koa i Tsadôka sy i Abiatara mpisorona. Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ny mpanjaka, dia ambarao amin’i Tsadôka sy Abiatara.


i Sevà no mpitantsoratra; i Tsadôka sy i Abiatara no mpisorona;


i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;


Dia niresaka tamin’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià sy tamin’i Abiatara mpisorona i Adônià, ka nahazo ny fanohanan’ireo.


Fa hoy i Salômôna namaly an-dreniny: –Nahoana ianao no mangataka an’i Abisaga avy any Sonema ho an’i Adônià? Angataho ho azy koa ny fanjakana satria izy no zokiko; dia ho azy izany sy ho an’i Abiatara mpisorona ary ho an’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià?


i Benaià zanakalahin’i Jôiadà no filohan’ny tafika; i Tsadôka sy i Abiatara no mpisorona;


I Semahià, izay zanakalahin’i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan’ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan’i Tsadôka mpisorona sy i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin’ny terak’i Elehazara, vao iray kosa tamin’ny terak’i Itamara.


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany!


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina angaha izay nataon’i Davida raha tsy nanan-kohanina ka noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?


Dia lasa nandeha i Davida, fa i Jônatàna kosa nody any an-tanàna.


Raha nialokaloka eo amin’i Davida tany Kehilà i Abiatara zanakalahin’i Ahimelèka, dia nitondra ny efôda niaraka taminy.


Fantatr’i Davida fa nisaina hanao ratsy azy i Saoly; koa nasainy nentin’i Abiatara mpisorona ny efôda hanontaniana ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra