Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 2:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Henon’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny mpahay lalàna: –Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary! Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Raha nahare izany Jesosy dia niteny taminy hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Henon’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny mpahay lalàna: –Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary! Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Raha nahare izany i Jesoa dia nanao taminy hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Raha nahare izany Jesosy dia niteny taminy hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 2:17
21 Rohy Ifampitohizana  

«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.


–Tandremo fandrao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’itony madinika itony aza. Eny, lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireny, any an-danitra, dia manatrika lalandava ny Raiko Izay any an-danitra.


Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an’ny anjelin’Andriamanitra amin’ny mpanota anankiray monja miala amin’ny toetra ratsiny.


Fa hoy izy tamin-drainy: «Jereo ange! Taona firifiry moa izay no nanompoako anao ary tsy mbola nandika ny didinao na oviana na oviana aho; kanefa dia nofy izany hoe mba nomenao zanak’osy iray hiarahako mihinana sy mifaly amin’ny sakaizako.


Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin’ny mpanota anankiray monja miala amin’ny toe-dratsiny fa tsy amin’ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin’ny toe-dratsy.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ianareo miseho ho marina eo imason’ny olona, kanefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.


Fa ny hitady sy hamonjy izay very no nahatongavan’ny Zanak’olona!


Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe: –Tena teraka tanatin’ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay? Dia noroahin’ny Farisianina hiala amin’ny sinagôga ilay jamba taloha.


Nandre izany ny Farisianina sasany teo ka nanao taminy hoe: –Izahay koa ve jamba?


Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin’ny toe-dratsy ka hitodika amin’Andriamanitra sady hino an’i Jesoa Tompontsika.


Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra