Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:54 - DIEM PROTESTANTA

54 Fa i Petera kosa nanaraka an’i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin’ny tranon’ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin’ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

54 Ary i Petera dia nanaraka Azy teny lavidavitra teny hatrany anatin’ny kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe. Ary niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha izy ka namindro teo anilan’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

54 Fa i Petera kosa nanaraka an’i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin’ny tranon’ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin’ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

54 I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

54 Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ny kianjan’ny tranon’ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha izy ka namindro teo anilan’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

54 Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin'ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan'ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

54 Ary i Petera dia nanaraka Azy teny lavidavitra teny hatrany anatin’ny kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe*. Ary niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha izy ka namindro teo anilan’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:54
15 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha vao nahare izany i Elià, dia nisaron-tava tamin’ny akanjobeny ka lasa nivoaka ary nitsangana teo am-bava zohy. Dia nisy feo niteny taminy indray nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?


Rehefa tonga tao Hôreba i Elià, dia niditra tao amin’ny zohy iray ka natory tao. Ary nisy tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?


Tamin’izay ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy dia nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorombe atao hoe Kaiafa.


Fa i Petera kosa nanaraka an’i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin’ny tranon’ny mpisorombe. Dia niditra tao an-tokotany i Petera ary niara-nipetraka tamin’ny mpiandry raharaha teo mba hahita izay fiafaran-javatra.


Miareta tory ianareo ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona fa ny nofo no malemy.


Raha mbola tao ambany tao an-tokotany i Petera, dia avy ny anankiray tamin’ireo vehivavy mpiasan’ny mpisorombe.


Dia nitebiteby fadiranovana Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa indray. Ary nanjary toy ny ra mitete ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin’ny tany.


Dia nosamborin-dry zareo i Jesoa ary nentiny ka nampidiriny tao amin’ny tranon’ny mpisorombe. I Petera izany nanjohy lavidavitra teny ihany.


Namelona afon’arina ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha ka nipetraka namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary dia mba nijanona niara-namindro taminy koa i Petera.


I Simôna Petera kosa mbola nijanona namindro teo, ka nisy nilaza taminy hoe: –Ianao koa ve tsy isan’ny mpianatr’iny Lehilahy iny? Fa nandà izy nanao hoe: –Tsia, tsy anisany aho!


Ny Hebreo sasany aza tafita an’i Jôrdàna mba hialokaloka any amin’ny tanin’i Gada sy i Gilehada. Mbola tany Gilgala i Saoly tamin’izay, ary rano an-dravina ny miaramila rehetra nanaraka azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra