Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:45 - DIEM PROTESTANTA

45 Vao tonga i Jodasy, dia nanatona an’i Jesoa avy hatrany ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô! Dia nanoroka Azy i Jodasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

45 Ary raha vao tonga izy ka nanatona an’i Jesosy dia niteny hoe: Raby ô! Sady nanoroka Azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

45 Vao tonga i Jodasy, dia nanatona an’i Jesoa avy hatrany ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô! Dia nanoroka Azy i Jodasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

45 Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe: «Arahaba, Raby,» dia nanoroka Azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an’i Jesosy niaraka tamin’izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:45
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny omby mahalala ny tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan’ny tompony azy; Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra.»


Hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo mpisorona: «Ny zanaka manome voninahitra ny rainy, ary ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray aho, aiza izay voninahitro? Ary raha Tompo aho, aiza izay hajako? Fa manamavo ny anarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anamavoanay ny anaranao?».


ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an’ny amperôra rômanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?


Ilay hanolotra an’i Jesoa dia efa nanome famantarana an-dry zareo hoe: «Izay horohako no Izy ka sambory, dia ento ka ambeno tsara.»


Nohazonin’ireo iraka tamin’izay i Jesoa ary nosamboriny.


–Ahoana no iantsoanareo Ahy hoe: «Tompo ô! Tompo ô!» nefa tsy tanterahinareo akory izay lazaiko?


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ry Maria! Dia nitodika ravehivavy ka niteny aramianina taminy hoe: –Rabonỳ (izany hoe Mpampianatra)!


Raha tsy mbola tonga ny olona, dia niangavian’ny mpianany hisakafo i Jesoa ka nataony hoe: –Mpampianatra ô, hano re ny sakafo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra