Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:41 - DIEM PROTESTANTA

41 Ary niverina fanintelony teo amin’izy telo lahy Izy dia nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Ampy izay! Tonga ny fotoanandro: indro efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Ary niverina fanintelony Izy dia niteny taminy hoe: Mbola matory ihany ianareo ka miala sasatra. Ampy izay. Tonga ny fotoanandro; indro ny Zanak’Olona hatolotra eo an-tanan’ny mpanota.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Ary niverina fanintelony teo amin’izy telo lahy Izy dia nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Ampy izay! Tonga ny fotoanandro: indro efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra. - Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra hianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’olona hatolotra eo an-tànan’ny mpanota.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak'olona hatolotra ao an-tànan'ny mpanota.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Ary niverina fanintelony Izy dia niteny taminy hoe: Mbola matory ihany ianareo ka miala sasatra. Ampy izay. Tonga ny fotoanandro; indro ny Zanak’Olona* hatolotra eo an-tanan’ny mpanota.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:41
23 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny mitataovovonana dia naneso azy ireo i Elià hoe: –Antsoy mafy ihany fa andriamanitra izy, ka sao dia maro herehina na koa mbola varian-dresaka, na nisy dia nalehany, na koa matory angamba izy ka mila hofohazina.


Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe: –Ry Mikaià, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika sa hijanona ihany? Ka hoy ny navaliny azy: –Mandehana fa handresy ianao, ry andriamanjaka, ary hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.


Ka hoy i Elisà tamin’ny mpanjakan’i Israely: –Nahoana no mankatỳ amiko ianao? Mandehana any amin’ireo mpaminanin-drainao na ireo mpaminanin-dreninao! Fa novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nitaona anay mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan’ny Môabita.


Mifalia, ry zatovo, amin’izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin’izany rehetra izany dia hotsarain’Andriamanitra ianao.


Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin’ny fanolorana fanatitra ho an’ny sampinareo.


–Fantatrareo fa indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska; ary ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazofijaliana.


Fa i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny 12 lahy, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona mba hanolotra an’i Jesoa hovonoina.


Dia nipetraka hihinana izy rehetra, ka iny teo am-pisakafoana iny dia hoy i Jesoa: –Lazaiko marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo; dia ilay miara-mihinana amiko.


Dia nandroso kely i Jesoa ary niankohoka tamin’ny tany, ka nivavaka mba hialan’izany ora fijaliana izany aminy raha azo atao;


Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy Izy, dia mbola nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony ka tsy hitany izay havaly an’i Jesoa.


Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!


Ary hoy koa i Jesoa taminy: –Dia arianareo tsotra izao ny didin’Andriamanitra, mba hitandremanareo ny fomba amam-panaonareo.


fa nampianatra ny mpianany Izy ary nilaza taminy hoe: –Hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona ka hovonoiny ho faty, ary andro fahatelo aorian’ny hahafatesany dia hitsangana velona.


Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.


–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako.


Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanandratra ny masony any an-danitra ka nanao hoe: –Ray ô, tonga ny fotoanandro. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao.


Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoanandron’i Jesoa.


Ireo teny ireo dia nolazain’i Jesoa teo akaikin’ny fandatsahan-drakitra, fony Izy nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony.


Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.


Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny androm-pahorianareo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra