Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy Izy, dia mbola nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony ka tsy hitany izay havaly an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Nony niverina indray Izy dia nahita azy ireo matory, ary efa nilondolondo ny masony ka tsy hitany izay havaliny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy Izy, dia mbola nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony ka tsy hitany izay havaly an’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 Nony niverina indray Izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

40 Nony niverina indray Izy dia nahita azy ireo matory, ary efa nilondolondo ny masony ka tsy hitany izay havaliny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:40
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava.


Dia nihataka indray i Jesoa ary namerina ny vavaka nataony teo.


Ary niverina fanintelony teo amin’izy telo lahy Izy dia nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Ampy izay! Tonga ny fotoanandro: indro efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!


Sondrian-tory kosa i Petera sy ny namany, nefa mba taitra ihany ka nahita an’i Jesoa heni-boninahitra sy nahita azy roa lahy izay teo aminy.


Fantatsika kosa fa izay rehetra voalaza ao amin’ny lalàna dia voalaza ho an’izay eo ambanin’io lalàna io. Noho izany, dia tsy hisy hanan-kalahatra eo anatrehan’Andriamanitra; ary izao tontolo izao no hiaiky fa diso eo anoloany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra