Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:42 - DIEM PROTESTANTA

42 Dia tonga ity vehivavy mpitondratena mahantra, nandrotsaka vola madinika roa ankevitry ny ariary anankiroa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Fa nisy mpitondratena mahantra iray kosa tonga teo ka nandatsaka lepta roa na kaodiranta iray izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Dia tonga ity vehivavy mpitondratena mahantra, nandrotsaka vola madinika roa ankevitry ny ariary anankiroa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa ankevitry ny variroaventy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

42 Fa nisy mpitondratena mahantra iray kosa tonga teo ka nandatsaka lepta roa na kaodiranta* iray izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:42
9 Rohy Ifampitohizana  

Raha mba no anadahiko moa ianao, ka ninono tamin’ny nonon’i neny! Ho afaka manoroka anao aho, rehefa tojo anao eny ivelany eny, ary tsy hisy sahy hanakiana ahy.


ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.


Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panèfanao ny iraimbilanja farany.


Nipetraka nanandrify ny vata fitoeran-drakitra i Jesoa nandinika ny fomba fandrotsahan’ny vahoaka vola tao; ary maro ny mpanankarena nandrotsaka betsaka.


Dia nantsoin’i Jesoa ireo mpianany ka nilazany hoe: –Lazaiko marina aminareo fa io vehivavy mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be indrindra tamin’ny olona nandrotsa-bola tao amin’ny vata fitoeran-drakitra.


Lazaiko aminao fa tsy ho tafavoaka tao ianao mandra-panèfanao ny iraimbilanja farany.


Ary hitany koa ity vehivavy mpitondratena mahantra nandrotsaka ariary anankiroa.


Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.


Voasedra mafy tamin’ny fahoriana nahazo azy ny mpino, kanefa lehibe tokoa ny hafaliany ary nahafoy mihitsy izy ireo tamin’ny famoriam-bola, na dia tena mahantra aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra