Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalohany: «Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no Tompo tokana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Hoy ny navalin’i Jesosy: Ny voalohany dia izao: «Mihainoa, ry Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalohany: «Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no Tompo tokana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: ,,Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Hoy ny navalin’i Jesosy: Ny voalohany dia izao: «Mihainoa, ry Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana;

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:29
16 Rohy Ifampitohizana  

fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga; Ianao ihany no tena Andriamanitra.


Anaka, aoka hatoky ahy ny fonao ary aoka ny masonao hifaly amin’ny sori-dalako.


Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.


Ary aza miantso olona etỳ an-tany hoe «Rainareo» fa iray ihany no Rainareo, dia Ilay any an-danitra.


Dia novaliany hoe: –«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny herinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.» Ary koa: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»


satria tokana ihany Andriamanitra; ka ny Jiosy dia ekeny ho marina noho izy ireo mino; ary ny hafa firenena dia ekeny ho marina noho izy ireo mino ihany koa.


Koa azo hanina ve ny hena natao sorona tamin’ny sampy? Fantatsika fa tsinontsinona ny sampy eo amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy ilay Andriamanitra tokana.


kanefa ny mpanalalana dia tsy an’ny iray ihany, fa Andriamanitra kosa no iray ihany.


Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.


dia hodiovin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon’ny taranakareo hitiavanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo.


«Mihainoa, ry vahoaka Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana.


Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy.


Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona


Inoanao ve fa misy Andriamanitra tokana? Tsara ny ataonao. Mba mino izany koa anefa ireo demony ka mangovitra.


Izy no Mpamonjy antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra sy ny laza ary ny fanjakana sy ny fahefana hatramy talohan’ny taona rehetra sy ankehitriny ary mandrakizay! Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra