Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Ary nisy mpahay lalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sady nahita fa namaly tsara an’ireo Tsadoseanina i Jesoa. Dia nanatona an’i Jesoa ity mpahay lalàna ka nanontany Azy hoe: –Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Dia nanatona an’i Jesosy ny iray tamin’ireo mpanoradalàna izay nahare azy ireo niady hevitra ka nahita fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana moa no voalohany amin’izy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Ary nisy mpahay lalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sady nahita fa namaly tsara an’ireo Tsadoseanina i Jesoa. Dia nanatona an’i Jesoa ity mpahay lalàna ka nanontany Azy hoe: –Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian’i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona Azy koa sy nanontany Azy hoe: «Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 DIA nanatona an’i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin’ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:28
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ilay zatovo taminy: –Didy sahala amin’inona moa izany? Ka izao no navalin’i Jesoa: –Ny didy sahala amin’ny hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina;


Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa voaloanareo ny ampahafolon’ny ana-madinika toy ny karaotimanitra sy ny solila ary ny kòmina; nefa navelanareo ny zavatra mavesa-danja kokoa ao amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny hitsimpo; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa!


Koa na iza na iza handika ny anankiray amin’ny didy madinika indrindra sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia ho kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; fa na iza na iza hanatanteraka ny didy sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia izy no ho lehibe ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra!


Nony tafaverina teo amin’ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalàna niady hevitra taminy teo.


Mampalahelo ianareo, ry Farisianina! Fa voaloanareo ho an’Andriamanitra ny ampahafolon’ny solila sy ny veromanitra mbamin’ny anana famboly isan-karazany, nefa ataonareo tsirambina ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa.


Dia niteny ny sasany tamin’ny mpahay lalàna nanao hoe: –Mpampianatra ô, marina ny filàzanao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra