Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 12:29 - Baiboly Katolika

29 Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Hoy ny navalin’i Jesosy: Ny voalohany dia izao: «Mihainoa, ry Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalohany: «Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no Tompo tokana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalohany: «Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no Tompo tokana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: ,,Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Hoy ny navalin’i Jesosy: Ny voalohany dia izao: «Mihainoa, ry Israely: Ny TOMPO Andriamanitsika no TOMPO tokana;

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 12:29
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa lehibe sy mahavita fahagagana Ianao, Ianao irery no Andriamanitra.


Anaka, omeo ahy ny fonao, ary aoka hitandrina ny lalako, ny masonao;


Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy.


Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.


Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»


satria Andriamanitra iray ihany no hanamarina ny voafora amin’ny finoana, sy ny tsy voafora amin’ny finoana koa.


Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.


Ka izany hoe mpanalalana dia tsy an’ny irery, fa Andriamanitra kosa no irery.


Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;


Hoforàn’i Iaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, hitiavanao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra mba ho velona ianao.


Mihainoa, ry Israely: I Iaveh Andriamanitsika, dia Izy ihany no Iaveh.


Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;


Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,


Ianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra.


dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana, hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay doria. Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra