Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 9:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary ny sorona dorana manontolo voarasa sy ny lohany dia natolotr’ireo azy tsirairay, ka nodorana hanetona teo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ny fanatitra dorana manontolo voatetika, mbamin’ny lohany, dia natolotr’ireo azy ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary ny sorona dorana manontolo voarasa sy ny lohany dia natolotr’ireo azy tsirairay, ka nodorana hanetona teo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Natolotr’ireo azy indray, ny sorona dorana voatetika, mbamin’ny lohany, dia nodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary ny fanatitra dorana mbamin’ny lohany dia natolotr’ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 9:13
4 Rohy Ifampitohizana  

ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


ary mbola ny mpisorona taranak’i Aharôna ihany no handahatra eo ambonin’ireo kitay ireo ny omby voarasa mbamin’ny lohany sy ny taviny.


Dia novonoin’i Aharôna koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr’ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin’ny lafin’ny alitara.


Rehefa voasasan’i Aharôna koa ny tsinainy sy ny tongony, dia nodorany hanetona teo ambonin’ny alitara niaraka tamin’ny sorona dorana manontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra