Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 9:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Dia novonoin’i Aharôna koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr’ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Namono ny fanatitra dorana manontolo i Arona ary natolotry ny zanany azy ny ra ka nafafiny manodidina ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia novonoin’i Aharôna koa ny ondrilahy hatao sorona dorana manontolo; ka rehefa natolotr’ireo zanany azy ny ra, dia nafafiny tamin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Novonoiny koa ny sorona dorana ka nony natolotr’ireo zanak’i Aarôna azy ny ra, dia naidiny manodidina ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny ra dia nanopy izany manodidina tamin’ny lafin’ny alitara izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 9:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia i Aharôna kosa no namaly an’i Mosesy hoe: –Amin’izao andro nanateran’ny Israelita ny sorona fanalana ny otany sy ny sorona dorana manontolo teo anatrehan’ny TOMPO izao, dia fantatrao ny fahoriana nidona tamiko. Koa azoko natao ve, amin’ny andro toy izao, ny nihinana ny henan’ilay sorona fanalana ny ota? Tsy ho nankasitrahin’ny TOMPO velively izany!


fa ny hena sy ny hoditra kosa nodorany tamin’ny afo teny ivelan’ny toby.


Ary ny sorona dorana manontolo voarasa sy ny lohany dia natolotr’ireo azy tsirairay, ka nodorana hanetona teo ambonin’ny alitara.


Natolony koa ny ombilahikely sy ondrilahikely ho sorona dorana manontolo ka nataony araka ny fomba fanao.


Ary nentin-janany ho eo amin’i Aharôna ny ran’ilay ombilahikely; dia nanatsoboka ny fanondrony tamin’ny ra i Aharôna, ka notentenany ny tandroky ny alitara; ary ny ra sisa dia naidiny teo am-pototry ny alitara.


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra