Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 6:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Izay sisa amin’izany dia hohanin’i Arona sy ireo zanany; hataony tsy misy masirasira izany ary eo amin’ny fitoerana masina iray ao anatin’ny kianjan’ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izay sisa amin’ny fanatitra dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin’ny fitoerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary izay sisa amin’ireny dia hohanin’i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ny kianjan’ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 6:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»


ka ilay mpisorona manolotra azy ho fanalana ny ota no hihinana azy eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana;


Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO.


«Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an’ny TOMPO isan’andro: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.


«Amin’ny andro sabata kosa dia izao no hatolotra: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema sy lafarinina tsara toto enina kilao nofetaina tamin’ny menaka mbamin’ny fanatitra divay momba azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra