Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 6:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Hakany eran’ny tanana ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra rehetra miaraka amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, dia hodorany hanetroka eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin’ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin’ny ditin-kazo mani-pofona rehetra izay eo ambonin’ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 6:8
4 Rohy Ifampitohizana  

«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


fa ireo taranak’i Aharôna mpisorona kosa hanisy vainafo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo ambonin’ny vainafo;


«Izao no lalàna momba ny fanatitra vokatry ny tany: «Ireo zanakalahin’i Aharôna no hanolotra azy eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny alitara.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra