Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 6:7 - DIEM PROTESTANTA

7 «Izao no lalàna momba ny fanatitra vokatry ny tany: «Ireo zanakalahin’i Aharôna no hanolotra azy eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Izao no lalàna ny amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’NY TOMPO eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 «Izao no lalàna momba ny fanatitra vokatry ny tany: «Ireo zanakalahin’i Aharôna no hanolotra azy eo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Izao no lalàna momba ny fanatitra: Hatolotr’ireo zanak’i Aarôna eo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary izao no lalàna ny amin’ny fanatitra hohanina: Ireo zanak’i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’i Jehovah eo anoloan’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 6:7
22 Rohy Ifampitohizana  

Maneho ny fitiavako hatramin’ny taranaka faharivo Aho, ka mahalefitra ny heloka amam-pahadisoana ary ny ota; nefa kosa tsy manamarina izay meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka amam-parany hatramin’ny zafiafy sy zafindohalika.»


«Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.


raha misy kosa olon-dratsy iray miala amin’ny faharatsiany ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia hahavelona azy izany.


«Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny.


Toy ny nataon’izy mpisorombe tamin’ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin’ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon’ny mpisorombe tamin’ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara tahaka ny fanao azy amin’ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Ny vorona anankiray kosa dia sorona dorana manontolo araka ny fomba fanao; ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota vitany momba ny anankiray amin’ireo lafin-javatra ireo, dia voavela ny otany. «Araka ny fanao amin’ny fanatitra vokatry ny tany no hataon’ny mpisorona amin’izany.»


Ondrilahy, tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny sady tombanana araka ny maha sorom-panonerana azy, no hoentiny ho eo amin’ny mpisorona. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota tsy tandrina sady tsy nahy nahavoa azy, dia voavela ny otany.


Dia hangalan’ny mpisorona anankiray eran-tanan’ila ilay koba lafarinina voararaka menaka mbamin’ny vovoka zava-manitra rehetra eo amboniny, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany mba ho hanitra ankasitrahin’ny TOMPO.


ka eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo no hamonoana ny sorom-panonerana; ary ny ra dia hatopiny manodidina amin’ny lafin’ny alitara.


Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.


Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.


Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.


Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra