Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:7 - DIEM PROTESTANTA

7 «Olona enimpolo taona no ho miakatra: ho an’ny lehilahy, dia sekela 15; ho an’ny vehivavy, dia sekela folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Raha hatramin’ny enimpolo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy dia sekela dimy amby folo no hataonao tombany ary raha vehivavy kosa dia sekela folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 «Olona enimpolo taona no ho miakatra: ho an’ny lehilahy, dia sekela 15; ho an’ny vehivavy, dia sekela folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny hatramin’ny enimpolo taona no ho miakatra dia dimy ambin’ny folo sikla raha lehilahy, ary folo sikla raha vehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary raha hatramin’ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin’ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary raha hatramin'ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin'ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Raha hatramin’ny enimpolo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy dia sekela dimy amby folo no hataonao tombany ary raha vehivavy kosa dia sekela folo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:7
3 Rohy Ifampitohizana  

Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an’izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin’ny varo-tsy mifody izahay.


«Zazakely dimy volana ka hatramin’ny dimy taona: ho an’ny zazalahikely, dia sekela dimy; ho an’ny zazavavikely dia sekela telo.


«Raha mahantra kosa ilay olona nivoady ka tsy mahaloa izay vola voatombanao haloany, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay olona natokana ho an’ny Tompo; araka izay fari-pananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona ny vola haloa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra