Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 24:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ho an’i Arona sy ireo zanany ireo mofo ireo ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; zavatra tena masina ho an’ny mpisorona ireo, avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo; lalàna maharitra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ho anjaran’i Aarôna sy ny zanany ireo; ary eo amin’izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany, amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Lalàna maharitra lalandava izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ho an’i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an’ny mpisorona izany avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo: lalàna mandrakizay izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 24:9
17 Rohy Ifampitohizana  

I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany.


–Zava-masina dia masina ny hena avy amina sorona fanalana ny ota, ka nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ny faritra voatokana hihinanana azy? Efa nomen’ny TOMPO anareo izany mba hahazoanareo manafaka ny fahotana vitan’ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo sy manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho azy eo anatrehan’ny Tompo.


Azony ihinanana ihany anefa ny zavatra atao sorona amiko, na ny zavatra masina dia masina na ny zavatra masina.


Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin’ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selômita, zanakavavin’i Dibrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana. Vao mby teo amin’ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ka nentina tany amin’i Mosesy.


Lalàna raikitra ho anareo izany hatrany hatrany, ary na aiza na aiza onenanareo: tsy hihinana jabora na ra akory ianareo!».


Ny lehilahy rehetra taranak’i Aharôna ihany no mihinana izany: anjara raikitra ho azy hatrany hatrany izany ambin’ny fanatitra nolevonina tamin’ny afo ho an’ny TOMPO izany. Ny olon-kafa rehetra, izay mikasika izany mofo izany, dia hofaizin’ny fahamasinan’Andriamanitra.»


ny fanatitra rehetra avy amina mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy misy tavela hohanina.»


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.


Vorio koa ny Israelita rehetra ho tafangona eo anoloan’io toerana io.


Ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna sy ny zanany: –Andrahoy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny henan’ilay ondrilahy faharoa; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ny mofo izay ao anatin’ny harona misy ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako anareo.


Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary.


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra ry i Davida, ka nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra izy mbamin’ny olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany tsy azon’izy ireo hanina fa natao ho an’ny mpisorona irery ihany!


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra i Davida tamin’ny andron’i Abiatara mpisorombe, ary nihinana ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra; kanefa izany mofo izany tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona ihany. Dia nomen’i Davida koa ireo olona niaraka taminy.


Niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra no nakany hohanina, ary dia nomeny koa ireo olona niaraka taminy; kanefa izany mofo izany, tsy azon’iza na iza hanina afa-tsy ny mpisorona irery ihany.


Ka hoy ny navalin’i Davida azy: –Izany tokoa, fa tsy niray tamim-behivavy izahay, toy ny taloha ihany rehefa niantafika aho; ka masina ny kitapon’ireo tovolahy namako. Ary na dia tsy masina aza ity dia hiantafika indray maka ity, dia ho masina ihany izy anio amin’ny mofo hatao anaty kitapo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra