Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 24:10 - DIEM PROTESTANTA

10-11 Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin’ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selômita, zanakavavin’i Dibrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana. Vao mby teo amin’ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ka nentina tany amin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10-11 Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin’ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selômita, zanakavavin’i Dibrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana. Vao mby teo amin’ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ka nentina tany amin’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Nisy zanaka lahin’ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejiptianina, nankeo afovoan’ny zanak’i Israely; ary nifampila akisa teo an-toby ny zanaka lahin’ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 ARY nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ny Zanak’Isiraely–vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 24:10
4 Rohy Ifampitohizana  

Nisy koa olona maro hafa fiaviana niara-nandeha tamin’izy ireo. Ombàn’ny ondry aman’osy sy omby amin’andiany be dia be.


Ny mofo dia ho an’i Aharôna sy ny taranany ka eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany no hihinanany azy. Zava-masina dia masina ho an’ny mpisorona izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho AHY: anjara raikitra hatrany hatrany izany ho azy.»


Nisy vahiny maro samy hafa fiaviana tafaharo tamin’ny Israelita izay liana te hihinan-kena aoka izany; ary ny Israelita koa dia nanomboka nitaraina indray ka nitomany hoe: «Iza no hanome hena hohaninay?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra