Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Hozahan’ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin’ny hoditr’ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan’ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo. Raha niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina dia habokana izany; hozahan’ny mpisorona izy dia hambarany fa maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Hozahan’ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin’ny hoditr’ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan’ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin’ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokana izany, ka rehefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 koa raha zahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan’ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo. Raha niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina dia habokana izany; hozahan’ny mpisorona izy dia hambarany fa maloto.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:3
29 Rohy Ifampitohizana  

Nandeha izy nifindrafindra avy tao Negeva ka hatrany Betela, teo amin’ny toerana izay efa nitobiany tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.


Maimay erỳ ny fonao raha nanao ireny zavatra isan-karazany ireny, tahaka ny fanaon’ireo vehivavy janga tsivalahara. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


«Ny mpisorona no hampianatra ny vahoakako hanavaka ny masina sy ny tsy masina ary ny madio sy ny maloto.


Tsentsefin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany; ary mihafotsy ny volon-dohany, nefa tsy fantany akory izany.


Aza misotro zava-pisotro mahamamo ianareo, rehefa hanavaka ny zavatra masina sy tsy masina ary ny zavatra madio sy tsy madio,


Hozahan’ny mpisorona ilay olona; ka raha hitany fa misy pentina mamontsina fotsy eo amin’ny hodiny sady efa niova ho fotsy ny volo eo amin’io pentina io ary misy nofo mangenahena mipoitra koa eo,


«Raha misy faritra mamontsina na faritra manakopery na pentina mangirana eo amin’ny hodi-nofon’ny olona, ka manjary aretina miendrika habokana izany, dia hoentina ilay olona ho eo amin’i Aharôna mpisorona na ho eo amina mpisorona anankiray anisan’ny taranany.


Hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana no efa mipoipoitra eo amin’ny hola-pery.


Raha misy pentina fotsy mangirana kosa eo amin’ny hoditry ny olona, nefa tsy mandoaka hoditra no fahitana io pentina io sady tsy niova ho fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay marary.


Hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa manitatra eo amin’ny hoditra tokoa ny manako-pery, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa habokana izany.


Rehefa voazahany kosa ny pentina, ka hitany fa mihady lavaka maitsomaitso na menamena eo amin’ny rindrina,


Ireo avy no fepetra momba ny aretin-koditra isan-karazany sy ny kimavo,


«Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.


Fanontaniana hangatahana valin-teny mahatapaka amin’ny mpisorona izany, ka hoy i Hagay tamin’ireo: –Izao no lazain’ny Tompon’izao rehetra izao:


Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy.


Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakàn’ny lanitra: ka na inona na inona hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.


Na iza na iza avelanareo heloka, dia voavela; ary na iza na iza tsy avelanareo heloka, dia tsy voavela.


Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin’ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ra nafoin-Janany.


Inona àry no holazaintsika? Fahotana ve ny lalàna? Sanatria izany! Nefa tsy ho nahafantatra ny fahotana aho raha tsy tamin’ny alalan’ny lalàna. Ohatra: tsy ho nahafantatra ny fitsiriritana aho, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: «Aza mitsiriritra.»


anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony.


Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.


Tsarovy ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero izay niafaran’ny fiainany ka alao tahaka ny finoany.


Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra