Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:3 - Baiboly Katolika

3 Dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin’ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokana izany, ka rehefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo. Raha niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina dia habokana izany; hozahan’ny mpisorona izy dia hambarany fa maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Hozahan’ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin’ny hoditr’ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan’ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Hozahan’ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin’ny hoditr’ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan’ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 koa raha zahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan’ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 koa raha zahan'ny mpisorona ny aretina eo amin'ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan'ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofo. Raha niova ho fotsy ny volo eo amin’ny aretina ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina dia habokana izany; hozahan’ny mpisorona izy dia hambarany fa maloto.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:3
29 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin’ilay niorenany lay tamin’ny voalohany, anelanelan’i Betela sy i Hay;


Akory izany halemen’ny fonao, - teny marin’i Iaveh Tompo, - no dia nahavitanao izany rehetra izany, izay fanaon’ny vehivavy janga tsy valahara indrindra.


Izy ireo no hampianatra ny vahoakako hahay hanavaka ny masina sy ny tsy masina; izy ireo no hampianatra azy hahay hanavaka ny maloto sy ny madio;


Levon’ny hafa firenena ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; efa mipi-bolo ny lohany, nefa tsy fantany akory izany.


sady hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,


Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,


«Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.


Raha toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra ilay hodi-potsy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra eo dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa fery habokana nipoitra ao amin’ilay fery izany.


Fa raha misy hodi-potsy ao amin’ny hoditry ny nofony, nefa tsy latsaka lalina noho ny hoditry ny nofony no fijery azy, sady tsy nanjary fotsy ny volon-koditra, dia hanokan-toerana ilay mararin’ny fery, hafitoana, ny mpisorona.


ka hozahan’ny mpisorona; ary raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny anakandro dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa habokana izany.»


Dia hozahan’ny mpisorona ilay fery, ka raha hitany fa misy lavaka maitsomaitso na menamena izay toa tafalentika amin’ny rindrina, ao amin’ny fery, eo amin’ny rindrin-trano,


Izany no lalàna momba ny fery habokana, sy ny kimavo,


ny mamontsina, ny anakandro, ary ny hodi-potsy.


toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan’olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mangataha amin’ny mpisorona mba hanome valy mahatapaka, manaova hoe:


Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.


Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.»


ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana.»


Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.


Inona àry no holazaintsika: ota va ny Lalàna? Sanatria izany! Fa tsy nahalala ny fahotana aho, raha tsy tamin’ny Lalàna; ohatra, tsy ho nahalala ny fanirian-dratsy aho, raha tsy ny Lalàna no nilaza hoe: Aza maniry ratsy.


anisan’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro an’i Satana, mba hofaizana tsy hiteny ratsy.


fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.


Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran’ny fiainany, ka alao tahaka ny finoany;


Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra