Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:2 - DIEM PROTESTANTA

2 «Raha misy faritra mamontsina na faritra manakopery na pentina mangirana eo amin’ny hodi-nofon’ny olona, ka manjary aretina miendrika habokana izany, dia hoentina ilay olona ho eo amin’i Aharôna mpisorona na ho eo amina mpisorona anankiray anisan’ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Raha misy mamontsina eo amin’ny hoditry ny nofon’ny olona, na misy manakompery na misy mifaritra mangirana ka eo amin’ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia hoentina ho eo amin’i Arona mpisorona ilay olona na ho eo amin’iray amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 «Raha misy faritra mamontsina na faritra manakopery na pentina mangirana eo amin’ny hodi-nofon’ny olona, ka manjary aretina miendrika habokana izany, dia hoentina ilay olona ho eo amin’i Aharôna mpisorona na ho eo amina mpisorona anankiray anisan’ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Raha misy mamontsina eo amin’ny hoditry ny nofon’ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin’ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin’i Arona mpisorona izy, na ho eo amin’izay iray amin’ny mpisorona, zanak’i Arona;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Raha misy mamontsina eo amin'ny hoditry ny nofon'ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin'ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin'i Arona mpisorona izy, na ho eo amin'izay iray amin'ny mpisorona, zanak'i Arona;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Raha misy mamontsina eo amin’ny hoditry ny nofon’ny olona, na misy manakompery na misy mifaritra mangirana ka eo amin’ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia hoentina ho eo amin’i Arona mpisorona ilay olona na ho eo amin’iray amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona;

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:2
23 Rohy Ifampitohizana  

Hivaly eo an-dohan’i Jôaba sy ny fianakaviany manontolo anie izany, ary tsy ho foana ao amin’ny taranak’i Jôaba koa anie ny olona marary mitsika na marary hoditra sy ny lehilahy kilemaina manao asam-behivavy, ary ny lehilahy matin-tsabatra na tsy ampy sakafo!


Nahamàna no anaran’ny filohan-tafiky ny mpanjakan’i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan’ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen’ny TOMPO tamin’ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.


satria ny aretin-koditr’i Nahamàna dia hiraikitra aminao sy ny taranakao hatrany hatrany. Rehefa niala teo anatrehan’i Elisà i Gehazỳ, dia indro fa niempaka fotsy toa oram-panala ny hodiny.


Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.


Noho izany, dia hataon’ny TOMPO voaharatra ny tampon-dohan’ireo andriambavilanitra ireo sady hataony mangadihady ny handriny.


Dia niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO nanao hoe:


Hozahan’ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin’ny hoditr’ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan’ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.


Hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa manitatra eo amin’ny hoditra tokoa ny manako-pery, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa habokana izany.


dia hivoaka ny toby kosa ny mpisorona mba hizaha azy. Raha hitany fa sitrana ny aretin’ilay marary hoditra,


dia handeha ny tompontrano hilaza izany amin’ny mpisorona ka hanao hoe: ‹Toa hitako misy pentina miseho ao amin’ny tranoko.›


Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy.


Rehefa nisandratra ho eo ambonin’ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharôna ka nahita fa boka ny anabaviny.


Aoka re i Miriama tsy ho toy ny zazarano tsy azo izay lany sasaka ny nofony raha vao teraka!


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


nataony hoe: –Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Nahita azy ireo i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Ndeha miseho amin’ny mpisorona ianareo! Raha mbola teny an-dalana izy folo lahy, dia sitrana.


kanefa noraran’i Jesoa tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza sady nataony hoe: –Mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voalazan’i Mosesy, mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Mitandrema ny amin’ny aretin-koditra isan-karazany, ka imasoy fatratra ny hanatanteraka ny zavatra rehetra hatoron’ireo Levita mpisorona.


Hamelezan’ny TOMPO anareo, tahaka ny hamelezany an’i Ejipta, ny vay isan-karazany sy ny hatina ary ny hazaka tsy andairam-panafody;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra