Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 11:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ho fady aminareo kosa izay tsy misy vombony sy kirany amin’ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 fa izay rehetra tsy misy vombony na kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina na ao anatin’ny ony na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’izay zavamananaina ao anaty rano, dia ho fahavetavetana aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ho fady aminareo kosa izay tsy misy vombony sy kirany amin’ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika anaty rano:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin’ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin’ny zava-manana aina rehetra misy ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ny ranomasina, na ao anatin’ny ony, na amin’izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ny zava-mananaina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 11:10
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!»


Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.


Halan’ny olo-marina ny olona mpivadi-bolana; ary halan’ny olon-dratsy ny mahitsy fitondrantena.


eny, ho fady aminareo ireny, ka aza haninareo ny henany ary fadio ny mikasika ny fatiny.


«Izao no ho fihinanareo amin’ny biby rehetra ao anaty rano, na farihy na ranomasina na renirano: ny biby rehetra misy vombony sy kirany.


Raha tàhiny hihinanana amin’ny andro fahatelo izany henan’ny sorom-pihavanana izany, dia tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny mpanatitra azy; hoheverina ho tsinontsinona izany sorom-pihavanana izany, satria ny henany efa nanjary tsy azo ampiasaina amin’ny fombam-pivavahana intsony. Izay olona mihinana amin’izany dia itambesaran-keloka.


Tsy ho fihinanareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, fa ho maloto aminareo.


Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.


Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra