Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Josoa 8:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Hivoaka hanenjika anay ireo ka hotarihinay ho lavitra ny tanàna. Hoheveriny manko fa mandositra eo anoloany toy ny tamin’ny voalohany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa hoy izy hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Hivoaka hanenjika anay ireo ka hotarihinay ho lavitra ny tanàna. Hoheveriny manko fa mandositra eo anoloany toy ny tamin’ny voalohany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary hivoaka hanenjika anay izy ireo mandra-pahatarikay azy lavitra ny tanàna fa hanao hoe: Mandositra antsika toy ny teo izy. Ka dia handositra eo anoloany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

6 Ary hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa hoy izy hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Josoa 8:6
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia hiteny ny Farao hoe: «voan’ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin’ny taniefitra.»

Dia hoy ireo fahavalony hoe: «Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika, halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo; hotsoahantsika ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanantsika.»

Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy.

Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian’ny loza. Fa toy ny trondro azon’ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.

Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hifanehatra aminay toy ny tamin’ny voalohany ny mponin’i Hay, dia handositra eo anoloany izahay.

Amin’izay ianareo no hipoitra avy ao amin’ny famitsahana ka haka ny tanàna, satria hatolotry ny TOMPO ho eo an-tananareo i Hay.

Tamin’izay dia nihevitra ho naharesy ny Israelita toy ny teo aloha izy; kinanjo nanapa-kevitra ny Israelita fa hanao tari-dositra mba hisarika ny Benjaminita ho any amin’ny lalana mankany an-tsaha ka hanalavitra an’i Gibehà.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra