Jona 3:5 - DIEM PROTESTANTA5 Nino an’Andriamanitra ny mponin’i Ninive, ka nanapa-kevitra ny hifady hanina ary nitafy gony hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana, hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Nino an’Andriamanitra ny mponin’i Ninive, ka nanapa-kevitra ny hifady hanina ary nitafy gony hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. Jereo ny toko |
Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»
Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.