Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jona 3:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Rehefa ren’ny mpanjakan’i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin’ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin’ny lavenona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianany izy ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana izy sady nipetraka tamin’ny lavenona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Rehefa ren’ny mpanjakan’i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin’ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin’ny lavenona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, mirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ny lavenona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 3:6
20 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa ren’i Ahaba izany, dia norovitiny ny fitafiany, ka gony no nanaovany manolo-koditra; dia nifady hanina izy sady nandry tamin’ilay gony ary namindra miadana dia miadana.


Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.


Izany no anatsoahako izay voambarako, sy iekeko hadisoana ary ietreko tena eto amin’ny vovoka sy ny lavenona.


Eny an-dalambe dia lamba fisaonana no itafian’ny besinimaro, eny an-tampon-trano sy eny an-kianja eny no idradradradran’izy rehetra sady irotsahan’ny ranomasony.


Lazao amin’ny mpanjaka sy ny reniny hoe: «Mipetraha amin’ny tany ianareo, satria efa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.


Notantarain’i Mikaià azy ny teny rehetra reny avy fony i Baròka namaky mafy teo anatrehan’ny olona rehetra ny hafatra voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy.


Takatry ny mpanjaka sy ireo manamboninahiny tokoa ny hafatra voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy, nefa tsy nampiseho tahotra na mariky ny alahelo akory izy.


Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.


Mitorovoka amin’ny tany sady mangina ny loholon’i Tsiôna; norarahany vovoka ny lohany sady mitafy gony izy. Mitanondrika amin’ny tany ireo tovovavin’i Jerosalema.


Aoka hanohoka vava am-bovoka izy, ndrao mba hisy fanantenana.


Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ny andriana rehetra mifehy ireo vahoaka any amoron-tsiraka any, ka hanaisotra ny fitafiany sy ireo akanjony mirenty. Ho raiki-tahotra sy hipetraka amin’ny tany izy ka tsy hitsaha-mangovitra, satria ory loatra noho ny manjo anao.


Ary nitodika tamin’ny Tompo Andriamanitra aho mba hanao vavaka fitarainana sy fifonana ombàn’ny fifadian-kanina sy ny fitafiana lamba fisaonana ary ny fihosoran-davenona.


Aza ambara any Gata izany fa tazony ny ranomasonareo! Ry mponina ao Bety-Hafrà, mihosinkosena amin’ny vovoka ianareo.


–Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny.


Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna mantsy no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo mponina ao aminy no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra