Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 3:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Dia nanomboka ny fitetezana tamin’ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia nanomboka ny fitetezana tamin’ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna làlana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 3:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekià. Tonga nitsidika azy i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa ary nilaza taminy ny tenin’ny TOMPO hoe: –Ataovy ny farahafatrao amin’ny ankohonanao, satria efa ho faty ianao fa tsy ho velona.


Hampiako 15 taona ny andro hiainanao; ary ny tenanao sy i Jerosalema dia hafahako amin’ny vahohon’ny mpanjakan’i Asiria. Eny, ity tanàna ity dia harovako noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.


Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO hahazoany miantra anareo, mbola hirotsaka an-tsehatra Izy hamindra fo aminareo, satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy.


«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.


Rehefa hitan’Andriamanitra ny fihetsik’ireo Ninivita izay niala tamin’ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive, ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toetra ratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto.


Famantarana ho an’ireo mponina tao Ninive manko i Jônà; toy izany koa, ho famantarana ho an’ny olona ankehitriny ny Zanak’olona.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toe-dratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto!


Raha hoe miteny amin’ny anaran’ny TOMPO ilay mpaminany, kanefa tsy mitranga na tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia teny tsy nolazain’ny TOMPO izany: fahasahisahiana no nilazan’ny mpaminany izany ka aoka tsy hampihontsina anareo izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra