Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 1:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Mba henoy izao, ry loholona; ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra eto Joda. Efa nisy toy izao ve tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Henoy izao, ry zokiolona! Ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo va izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Mba henoy izao, ry loholona; ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra eto Joda. Efa nisy toy izao ve tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Mihainoa an’izao ianareo anti-panahy; mitongilàna sofina ianareo rehetra monina amin’ny tany! Mba efa nisy toy izao va tamin’ny andronareo, na tamin’ny andron’ny razanareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 HENOY izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, hianareo mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo Na tamin’ny andron’ny razanareo, va izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo, va izao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Henoy izao, ry zokiolona! Ary atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo va izao?

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 1:2
24 Rohy Ifampitohizana  

«Izay anti-panahy manam-pahendrena ary izay ela nihetezana, hono, lava volo.»


Mba misy eto aminay ihany koa ny ela nihetezana sy tratra antitra mihoatra noho ny rainao aza.


Nahoana no mbola ahaveloman’ny olon-dratsy? Nahoana izy no tratra antitra sady be fahefana?


Fa mba anontanio ange ntaolo e! Ka ianaro izay traikefan’ireo razany.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ireo terak’i Kôra.


Manatòna handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!


Kanefa hataon’ny TOMPO tonga aminao sy ny vahoakanao ary ny taranakao ny toe-javatra izay tsy mbola nisy hatramin’ny andro nisarahan’i Joda tamin’ny fanjakan’i Israely ka hatramin’izao, dia ny hanafihan’ny mpanjakan’i Asiria izany.


Loza ity! fa andro mampahatahotra, andro tsy misy toa azy; vanim-potoana mahory ho an’ny taranak’i Jakôba! Nefa ho afaka amin’izany ihany izy.»


Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.


«Hoy koa ilay anjely tamiko: ‹Amin’izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin’io fotoana io. Ary amin’izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan’ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin’ny boky.


Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.


Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,


Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.


Ho andro maizina tanteraka rakofan-drahona sy zavona izany. Indro avy ny tafiky ny bibikely, andiany marobe sady matanjaka, ary tahaka ny aloka mandrakotra ny tendrombohitra; tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.


Ry taranak’i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin’ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:


Ianareo andriambavilanitr’i Samaria, izay mihamatavy tahaka ny ombivavin’i Basàna, henoy izao teniko izao: Manitsakitsaka ny madinika ianareo, sy mampahory ny mahantra, ary milaza amin’ny vadinareo hoe: «Mitondrà hosotrointsika!»


Ry taranak’i Israely, henoinareo izao teniko izao, dia hira fisaonana ventesiko momba anareo:


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra. Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy! Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo mba ho vavolombelona hiampanga, dia ny Tompo avy ao amin’ny tempoliny masina.


Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?


Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!


Amin’izany mantsy, dia hisy fijaliana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana! «Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.» –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra