Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Nony tena hioty vokatra teo aminy Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia tsy nisy voany teo amin’ny voaloboka ary tsy nisy voany koa teo amin’ny aviavy, fa nalazo ny raviny; koa avelako ho an’ny mpandalo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Hojinjaiko avokoa izy rehetra, hoy NY TOMPO; tsy mamoa ny voaloboka ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny ary nanendry izay hanitsakitsaka azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Nony tena hioty vokatra teo aminy Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia tsy nisy voany teo amin’ny voaloboka ary tsy nisy voany koa teo amin’ny aviavy, fa nalazo ny raviny; koa avelako ho an’ny mpandalo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Indro horaofiko izy ireo, dia hongoahako, - teny marin’i Iaveh. - Ny voaloboka tsy misy voam-boaloboka intsony; ny aviavy tsy misy voan’aviavy intsony, ary ny raviny aza malazo! Ary izy ireo, nanendreko olona hanafika ny taniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, Malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Hojinjaiko avokoa izy rehetra, hoy NY TOMPO; tsy mamoa ny voaloboka ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny ary nanendry izay hanitsakitsaka azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:13
25 Rohy Ifampitohizana  

Ny tanimboaloboka telo hekitara tsy hamokatra afa-tsy divay dimampolo litatra; izay mamafy varim-bazaha zato kilao tsy hioty afa-tsy folo kilao monja.»


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany.


Ho tahaka ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin’ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin’ny taonan’ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany.


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Koa natosako teo aminy ny fahavinirako ary naripako tamin’ny afom-pahatezerako izy sady nampizakaiko ny vokatry ny fitondrantenany. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Ankehitriny no hampitanjahako azy eo imason’ireo lehilahy sakaizany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’izany famaizako izany.


Nosimbany ny voaloboko ary nopotehiny ny aviaviko. Nokikisany sy nohodirany ireny mandra-pahafotsy ny rantsany.


Ho lany foana ny herinareo, fa tsy hahavokatra ny tany volenareo ary tsy hamoa ny hazo.


Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy manome voa ny voaloboka, na dia tsy mahavanona aza ny ôliva ary tsy mahavokatra hanina ny saha, na dia voapaoka aza ny ondry ao am-pahitra ary tsy misy omby intsony ao am-bala,


Nantsoiko ny fahamainana hamely ny tany: dia ny tendrombohitra, ny tanimbary sy ny tanimboaloboka ary ny tanin’ôliva sy ny tanimboly hafa; hahita faisana amin’izany koa ny olona mbamin’ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra nisasaran’ny tananareo.»


Nolevoniko ny vokatry ny asa rehetra vitanareo: rivo-mahery sy aretina ary havandra no nalefako hamely izay rehetra nambolenareo, nefa tsy nety niverina tamiko ianareo; Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany.


Tsy havelako hanimba ny volinareo ny bibikely ka hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin’ilay aviavy: –Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana! Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy.


Eny, niposaka ny masoandro ombàn’ny hafanana migaingaina, dia nampalazo ny ahitra; ka nihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Dia toy izany koa ny mpanankarena: ho levona eo anivon’ny lahasany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra