Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany. Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy», hoy i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana,– Nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin’izay lavo izy,– Amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany. Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:12
20 Rohy Ifampitohizana  

Nony ampitso dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Indro efa nandry tamin’ny raiko aho halina! Andeha hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia tongava ianao handry aminy, dia hamelona taranaka avy amin’ny raintsika isika.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon’i Davida,


Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin’ity tany ivelomantsika ity. Fiatoana


Koa hitovy ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampindrana sy ny mpindrana ny mpampisambo-bola sy ny mpisambo-bola.


Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.


Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany.


Noho izany, dia hanjary malama ny lalany. Hifandona anaty haizina izy ka hianjera, fa hataoko tonga aminy ny loza amin’ny taona hirotsahako hamely azy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be sady tsy nisy koa ny oran-dohataona. Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.


Mandraka androany dia tsy mbola nisy na iray aza nanenina na nanaja Ahy ka nanaraka ny lalànako sy ny fitsipiko izay nomeko anareo sy ny razanareo.› »


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia anisan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, no hitrosenany amin’ny tany.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: Hasiako zava-mahasolafaka eo anoloan’ity firenena ity; ka samy ho solafaka sy ho faty eo na ny raiamandreny na ny zanany na ny namany sy ny mpiara-monina aminy.


Niseho ampahibemaso ho vehivavy janga izy ary nampiseho ny fitanjahany; ka narikoriko azy aho tahaka izay namparikoriko ahy tamin’ny rahavaviny.


Ho tonga taniefitra i Efraîma amin’ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin’ireo fokon’i Israely.


Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana no eo afovoan’ny tanàna; ka tsy manao faharatsiana Izy, fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany. Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!


Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana raha avy izay hahasolafaka ny tongony fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy faingana ny anjara voatendry ho azy.»


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra