Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 7:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Nefa ianareo mbola miseho eo anatrehako eto amin’ity trano izay natokana ho Ahy ity ihany ka manao hoe: ‹Voavonjy izahay›; ary avy eo dia tohizinareo indray ireo asa rehetra maharikoriko ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nefa mbola avy miseho eto anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka miteny hoe: Efa voavonjy izahay ka izany no nanaovanay ireo fahavetavetana rehetra ireo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Nefa ianareo mbola miseho eo anatrehako eto amin’ity trano izay natokana ho Ahy ity ihany ka manao hoe: ‹Voavonjy izahay›; ary avy eo dia tohizinareo indray ireo asa rehetra maharikoriko ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray, eto amin’ity trano iantsoana ny Anarako ity, ka manao hoe: ‹Ho afaka isika!› Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Nefa mbola avy miseho eto anatrehako Amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany hianareo Ka manao hoe: Efa voavonjy izahay–mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Nefa mbola avy miseho eto anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka miteny hoe: Efa voavonjy izahay ka izany no nanaovanay ireo fahavetavetana rehetra ireo!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 7:10
31 Rohy Ifampitohizana  

ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.


Ary nanorenany alitara hafa aza tao an-tranon’ny TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’ny TOMPO hoe: «I Jerosalema no hampitoerako ny voninahitro».


Ary nanorenany alitara hafa aza tao an-tranon’ny TOMPO, dia tao amin’ilay nolazain’ny TOMPO hoe: «Ao Jerosalema no hitoetra mandrakizay ny voninahitro.»


Izay sarin-tsampy voasokitra nampanamboarin’i Manase dia napetrany tao an-tranon’Andriamanitra, izay efa nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra no hampitoerako mandrakizay ny voninahitro.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Eny, ianareo izay mitonon-tena ho avy amin’ny tanàna masina ka miankina amin’Andriamanitr’i Israely Izay «TOMPOn’izao rehetra izao» no anarany, henoy àry izao teniko izao:


Ankoatra izany, dia nametrahany sampy tao amin’ny tempoly natokana ho Ahy ka nolotoiny.


Fa ianareo kosa tato ho ato dia nanao fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izany, ary hitako fa nanao izay mahitsy ianareo raha nanambara fanafahana ho an’ny namanareo, sady nanao fifanekena ampahibemaso tao amin’ny trano natokana ho Ahy.


Hadinonareo angaha ireo ratsy nataon’ny ray aman-dreninareo, nataon’ny mpanjaka sy ireo mpitondran’i Joda ary nataon’ny tenanareo sy ny vadinareo tao amin’ny tanin’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema?


Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy ve ity trano izay natokana ho Ahy ity? Fa izany no fahitako azy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Noho izany ity trano izay natokana ho Ahy ity, ity trano izay ianteheranareo ity, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity dia hataoko tahaka ny nanaovako an’i Silao.


Nanao izay ratsy eo imasoko ny vahoakan’i Joda, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Nametraka sampy maharikoriko tao amin’ny trano izay natokana ho Ahy izy, ka nandoto azy.


Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankatò Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin’ny fanolorana fanatitra ho an’ny sampinareo.


Hamely anao amim-pankahalana izy ka haka ny vokatry ny asanao. Havelany hitanjaka sy hiboridana ianao ary hiharihary eo imason’ny rehetra toy ny vehivavy janga. Ny filibànao sy ny fanaranam-batanao


Fa vehivavy mpanitsakitsa-bady sy mpamono olona ireo. Nanitsakitsa-bady tamin’ny fanompoan-tsampy izy sy namono olona ho faty tamin’ny nanaovany sorona ny zanany lahy izay efa naterany ho Ahy.


Fa ny andro nanaovany sorona ny zanany lahy tamin’ny sampiny iny ihany no nidirany tao amin’ny toerako masina, teo anivon’ny tranoko, ka nandotoany azy.


Koa ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mihinan-kena miaraka amin’ny ra ianareo, ary manompo ireo sampinareo sady mamono olona ho faty, koa ahoana no hahazoanareo io tany io ho fanananareo?


Dia mivory eo aminao ireo olona anisan’ny vahoakako ka mipetraka eo anatrehanao mba hihaino anao. Mihaino ny teninao izy, fa tsy manatanteraka azy. Izay rendrarendra tiany hatao ihany no eo am-bavany; ary ny filan-dratsiny no ironan’ny fony.


«Eny, velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao izao teny hentitra izao: Holevoniko tsy misy indrafo na fiantrana ianareo, satria nolotoinareo tamin’ny fanaonareo mahatsiravina sy ny sampinareo maharikoriko ny tempoliko.


Ry Andriamanitro ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa, ary ahirato ny masonao ka jereo ny faharavàn’ity tanànanay, dia ilay tanàna izay niantsoana ny anaranao hitahiana azy; fa tsy noho ny asa soa vitanay no anaovanay fifonana eto anatrehanao fa noho ny halehiben’ny famindramponao.


Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!


Dory hanetona eo amin’ny alitara ny mofo misy leviora fanati-pisaoranareo; ary ataovy antso avo ampahibemaso ny fanatitra an-tsitrapo ataonareo, satria izany no tianareo.


Hopotehiko izay miakatra an-tafon-trano mba hivavaka amin’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, dia izay mivavaka sy mianiana amiko TOMPO nefa manao izany koa amin’i Milkôma.


Ankehitriny dia ny mpirehaka no tokony hataonay hoe sambatra ary ny olon-dratsy no tokony hataonay hoe ambinina. Eny, fa na dia maka fanahy an’Andriamanitra aza ireo, dia afaka hatrany!› »


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.»


Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra