Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 48:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ry olon’i Môaba, ahoana no itenenanareo hoe: «Lehilahy matanjaka izahay sady miaramila mahery an’ady»?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ahoana no ilazanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ady izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ry olon’i Môaba, ahoana no itenenanareo hoe: «Lehilahy matanjaka izahay sady miaramila mahery an’ady»?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ahoana no ahazoanareo milaza hoe: «Mpiady izahay, lehilahy mahery an’ady izahay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an-ady izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an'ady izahay?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 48:14
12 Rohy Ifampitohizana  

Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. –Ny TOMPO no fialofako. Ahoana àry no ilazanareo amiko hoe: «Mandosira any an-tendrombohitra toy ny fanaon’ny voronkely ianao?»


Raha handresy amin’ny ady ny mpanjaka, dia tsy noho ny hamaroan’ny miaramilany; ary raha afa-doza ny mpiady, dia tsy noho ny haben’ny heriny.


Mbola nahita zavatra betsaka tetỳ ambonin’ny tany koa aho. Tsy ny faingam-pandeha hatrany no mandresy eo amin’ny fihazakazahana; ary tsy ny mahery fo hatrany no mandresy eo amin’ny ady. Tsy ny hendry no mora mahazo ny hanina hohaniny; ary tsy ny manan-tsaina no mora mahazo harena. Tsy ny olo-mahay no tsy maintsy homem-boninahitra, fa samy mpahazo ny rehetra na ny fanambinana na ny sampona.


Satria hoy izy anakampony hoe: «Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no nahavitako ny zavatra rehetra, fa izaho no marani-tsaina indrindra. Nofoanako ny faritanin’ny firenena maro ary norobaiko ny tahirin-karenany. Ary toy ny lehilahy mahery fo aho raha nanongana ny mpanjakany.


Noho izany, ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria. Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano no hiparitahan’ny afo mihanaka eo ambanin’ny famirapiratan’io firenena io.


Efa renay ny avonavon’i Môaba izay mpiavonavona mihoa-pampana; efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.


Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an’ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.


Ianareo mihambo hoe: «Hendry izahay, sady ato aminay ny lalànan’ny TOMPO.» Ahoana no ahazoanareo mihambo toy izany, raha ireo mpanora-dalàna aza manao fanoratana diso ka mahatonga azy hivoana?


Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Izao no lazain’ny TOMPO: Hatreo Migdôla any avaratra ka hatrany Asoana any atsimo dia ho faty an’ady ireo mpiaro an’i Ejipta, ary ho fefika ny tafiny miavonavona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Izany no famaizana setrin’ny avonavony satria izy roa tonta dia samy nandatsa ny vahoakan’ilay TOMPOn’izao rehetra izao ary nanitatra ny taniny teo amin’ny azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra