Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 47:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ahoana moa no hiatoany? Ny TOMPO no manome baiko azy; ary hamely an’i Askelôna sy ny tany amoron-dranomasina no tanjona nanendreny azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Hataonao ahoana no fitsahatra? Fa NY TOMPO no nandidy azy, eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina, izay no efa nanendreny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ahoana moa no hiatoany? Ny TOMPO no manome baiko azy; ary hamely an’i Askelôna sy ny tany amoron-dranomasina no tanjona nanendreny azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Hataonao ahoana moa no fitsahatra, fa nomen’i Iaveh didy ianao? Mankany Aksalôna sy any amoron-dranomasina no itarihany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, Eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina No efa nanendreny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Hataonao ahoana no fitsahatra? Fa NY TOMPO no nandidy azy, eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina, izay no efa nanendreny azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 47:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.


Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery, dia ireo faly handresy ho voninahitro mba hanehoana ny fahatezerako.»


Moa tsy fantatrao va, ry Saneheriba, fa efa hatry ny ela no nanomanako an’izao zava-nitranga tato ho ato izao? Efa hatramin’ny ela be no namolavolako azy, ary ankehitriny dia manatanteraka azy Aho. Voatendriko handrava ireo tanànamimanda ianao ka hahatonga azy ho korontam-bato.


Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa nampanaovin’ny TOMPO azy; eny, ho voaozona anie izay misakana ny sabany tsy handatsa-dra!


«Na koa hampisiako ady eo amin’izany tany izany ary hodidiako ny tafika handrava azy sy handringana ny olona mbamin’ny biby fiompy ao.


«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao amin’ny olona fa izao no lazain’ny TOMPO: ‹Indro misy sabatra, dia sabatra voaranitra sady mangirana!


«Ary ianao, ry printsy filohan’i Israely sady olon-dratsy mpamadika, tonga ny andro hifaranan’ny fanaovanao heloka.


Ny handringanako ny olo-marina sy ny olon-dratsy eo aminao no hanatsoahako ny sabatro amin’ny fitoerany, hamelezany ny olona rehetra hatreo atsimo ka hatrany avaratra.


Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin’iny moron-dranomasina iny.


Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?


Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: «Mihainoa, ianareo ry fokon’i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!


Koa ankehitriny, mandehana tafiho ny Hamalekita, ary levony avokoa izay rehetra ananany fa aza asiana miangana sy indrafo. Vonoy ho faty avokoa na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza minono, na omby na ondry, na rameva na boriky.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra