Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, taorian’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin’ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:1
14 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.


satria ny vavahady varahina novakîny ary ny hidy vy notapatapahiny!


Andriamanitra ao an-Toeramasiny no ilay Ray miahy ny kamboty sy manome rariny ny mpitondratena.


Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»


Ary ny mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana ary ny mpahay taozavatra sisa dia nalefan’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ho sesitany tany Babilôna.


Nony afaka folo andro, dia tonga tamin’i Jeremià ny valin-tenin’ny TOMPO.


Tamin’ny taona faha-11 taorian’ny fahababoana, nony andro fahadimin’ny volana fahafolo, dia nisy lehilahy iray afa-nandositra avy tany Jerosalema ary tonga tao amiko ka nanao hoe: «Azom-pahavalo ny tanàna!»


Kanefa dia novaliany hoe: –Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.


Izany àry no nangatahako hahita anareo sy hiresaka aminareo, satria mifatotra amin’ity gadra ity aho noho ny amin’Ilay antenain’ny vahoaka Israely.


Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.


Tao koa i Gibehôna, i Ramà, i Beerôta.


Rehefa izany, dia niverina nody tany Ramà izay nisy azy izy; nitsarany ny Israelita koa tao sady nanorenany alitara anankiray ho an’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra