Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 39:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an’ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria natoky Ahy ianao, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an’ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Hataoko afaka tokoa ianao ka tsy ho lavon-tsabatra, fa hahazo ny ainao ho babo, satria natoky Ahy ianao, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Fa hovonjeko tokoa hianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:18
19 Rohy Ifampitohizana  

Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy.


Tsy hamela anao ho faty Izy, raha avy ny mosary; harovany tsy ho voan’ny sabatra ianao, raha avy ny ady.


fa izay manaja Azy ka matoky ny fitiavany.


Tsinjovin’ny TOMPO kosa ireo mpanaja Azy, dia ireo olona miantehitra amin’ny fitiavany,


Ho fatin’ny haratsiany kosa ny olon-dratsy ary hohelohina ny mpankahala olo-marina.


Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara, dia honina amin’ny tany nomeny ianao ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.


Eny, ny TOMPO Andriamanitra no manda sy ampinga ho antsika. Fitiavana sy voninahitra no omen’ny TOMPO; tsy mba misy zava-tsoa laviny amin’izay madio fitondrantena.


Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao ary na iray alina aza miampatra eo ankavananao, dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.


Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO ô.


Na iza na iza mijanona amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanàna kosa mba hitolo-batana amin’ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.


«Izao no lazain’ny TOMPO: Izay mijanona eto amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mivoaka ny tanàna mba hitolo-batana amin’ny Babilônianina kosa dia ho velona hahavonjy ny ainy.»


Izay rehetra manota ka tsy manana ny lalànan’i Mosesy, dia ho very saingy tsy noho io lalàna io; fa izay rehetra manota nefa manana ny lalànan’i Mosesy, dia hohelohina araka io lalàna io.


Hideranay an’Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an’i Kristy.


Izy no mahatonga anareo hino an’Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin’ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra