Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 39:12 - DIEM PROTESTANTA

12 «Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahany aminao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ento izy ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no tanteraho aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 «Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahany aminao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 «Alaovy izy, ka ataovy andry maso, aza asian-dratsy, fa araka izay lazainy aminao ihany atao aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ento izy ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no tanteraho aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:12
12 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona, na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Tsy ho hitanao akory ny fahalaniany, satria toy ny manana elatra izy ka manidina toa voromahery eny an-danitra.


Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO ô, raha tsy nanompo tsara Anao, raha tsy nitalahoako ho an’ny fahavaloko Ianao tamin’ny fotoanan’ny loza amam-pahoriany.


Eo an-tanan’olon-dratsy ianao no hafahako ary eo an-tanan’ny mpampahory no havotako.


Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony.


Ary i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina nifanaraka tamin’i Nebosazbàny izay lehilahy tena mahatoky ny mpanjaka sy i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro sy ny manamboninahitra sisa rehetran’ny mpanjaka,


Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»


na ho lasan-ko babo eo anatrehan’ny fahavalony aza ireo, dia homeko baiko ny sabatra handringana azy any. Tapa-kevitra Aho tsy hahatonga soa ho azy fa hahatonga loza.»


ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra