Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 39:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, teo amin’ny tanin’i Jodà, sady nomeny tanimboaloboka aman-tanimboly tamin’izay andro izay izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanimboaloboka sy tanimboly tamin’izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:10
8 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.


Amin’izany andro izany koa ny isam-batan’olona dia samy hiompy ombivavy iray sy osivavy roa;


Hipetraka eto Mitsepà aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan’ny Babilônianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangòna divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin’izay tanàna hidiranareo.»


Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon’ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan’i Babilôna efa nanendry an’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babo tany Babilôna.


dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin’ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremià mpaminany sy i Baròka zanakalahin’i Nerià.


Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.


«Ry ilay taranak’olombelona, ireo mponina tavela amin’ireo tanàna rava any an-tanin’i Israely dia nilaza hoe: ‹I Abrahama irery aza nahazo ity tany ity ho fananany, mainka fa isika marobe izao dia homena ity tany ity ho fananantsika›.


Ary tonga mpiandry ny ondry aho, dia ny ondry izay kasain’ny mpanondrana hovonoina. Naka tehina roa aho; ny iray nataoko hoe «Fihavanana» ary ny iray kosa «Firaisankina». Ary nandrasako ny ondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra