Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 36:2 - DIEM PROTESTANTA

2 «Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Makà horonan-taratasy ianao ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ny andro nilazako taminao, dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 «Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Mangalà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Makà horonan-taratasy hianao, ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ny andro nilazako taminao, dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Makà horonan-taratasy ianao ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ny andro nilazako taminao, dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 36:2
34 Rohy Ifampitohizana  

Saingy tao Akmeta, izay tanànamimanda ao amin’ny faritr’i Media, no nahitana horonan-taratasy anankiray mirakitra izao filazana an-tsoratra izao:


Satriko mba hisy hihaino ahy, fa azoko soniavina izay voalazako! Hamaly ahy anie Andriamanitra Tsitoha. Fa ny amin’ny taratasy fiampangana voasoratry ny mpifanandrina amiko


Nampahafantarinao ahy tsara tokoa fa tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra; tsy ilainao ny sorona dorana manontolo sy ny sorona fanalana ny ota.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.»


Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly.


–Mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro, ary mbola tsy teraka akory ianao dia efa natokako hanompo Ahy sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.


Avy eo IZY dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe: –Ianao no hanambara ny teniko.


Ry taranak’i Jakôba sy ry fokon’i Israely rehetra, henoy ny tenin’ny TOMPO


«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.


«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.


Koa naniraka an’i Jehodỳ, zanakalahin’i Netanià sy zafikelin’i Selemià sady zafiafin’i Kosy ireo mpitondra fanjakana ireo mba hiantso an’i Baròka ho tonga ao aminy miaraka amin’ny horonan-taratasy eny am-pelatanany. Dia nentin’i Baròka ny horonan-taratasy ary nankany aminy izy.


Dia novalian’i Baròka hoe: –I Jeremià no nanonona tamiko ireo hafatra rehetra ireo, ary izaho kosa no nanoratra azy tamin’ny ranomainty teo amin’ny horonan-taratasy.


Koa isaky ny mahavaky toko telo na efatra i Jehodỳ, dia notapatapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipîka ireny ka natsipiny tao anaty afo; koa farany dia tapitra may avokoa ny horonan-taratasy manontolo.


Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.


Fa ianao kosa, mankanesa ao amin’ny andron’ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren’ny olona ao amin’ny tempoly mbamin’izay rehetra tonga avy amin’ireo tanànan’i Joda izany.


Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:


Dia indro hitako nisy tanana iray nitsotra nanatona ahy sady nitana boky iray miendrika horonan-taratasy.


Na ho an’arivony mihitsy aza no hanoratako ho azy ny lalànako, dia hoheveriny ho zava-poana izany.


Rehefa voasoratr’i Mosesy tao anaty boky avokoa ny teny raketin’ity Lalàna ity,


ka hoy Aho hoe: ‹Intỳ aho, Andriamanitra ô, tonga hanao ny sitraponao›; fa izany no voasoratra momba Ahy, ao amin’ny horonambokin’ny lalàna.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra