Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 36:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no tonga tamin’i Jeremià izao teny avy tamin’ny TOMPO izao nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO izao teny izao:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no tonga tamin’i Jeremià izao teny avy tamin’ny TOMPO izao nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny taona fahefatra, nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny avy any amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah izao teny izao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO izao teny izao:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 36:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Feno 25 taona i Jôiakima fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny izy.


Nisy hafatra azon’i Jeremià ho an’ny vahoaka rehetra ao Joda tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna.


«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.


Tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO izao teny izao:


Tamin’ny volana fahasivy, taona fahadimy nanjakàn’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no nisehoan’izany, raha nantsoina hanao fifadian-kanina teo anatrehan’ny TOMPO ny mponina rehetra tao Jerosalema sy ny olona rehetra avy amin’ireo tanànan’i Joda.


Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:


Fanambaràna momba an’i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan’i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron’ny ony Eofrata i Nekao no resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià mpanjakan’i Joda.


Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôiakima mpanjakan’i Joda dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nanao fahirano azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra