Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Kanjo niova hevitra izy ireo taorian’izany ka namerina ny lehilahy sy vehivavy nafahany ary nanandevo azy indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Kanjo taorianan’izany dia nanenina izy ka naveriny indray ireo mpanompolahy sy mpanompovavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho mpanompolahiny sy ho mpanompovaviny indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Kanjo niova hevitra izy ireo taorian’izany ka namerina ny lehilahy sy vehivavy nafahany ary nanandevo azy indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Kanjo niova hevitra izy tatỳ aoriana fa naverina indray ny mpanompo na lahy na vavy izay efa nalefany ho afaka, ka notereny hilatsaka ho ankizy lahy sy ho ankizy vavy indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Kanjo taorian’izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Kanjo taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Kanjo taorianan’izany dia nanenina izy ka naveriny indray ireo mpanompolahy sy mpanompovavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho mpanompolahiny sy ho mpanompovaviny indray.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:11
25 Rohy Ifampitohizana  

Fa izay mivoana any amin’ny lala-miolikolika kosa dia aoka horoahin’ny TOMPO miaraka amin’ny mpanao ratsy! Ny fiadanana anie ho amin’i Israely!


Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.


Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna. Ary nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy momba ireo sahona izay efa namelezany ny Farao;


Mangataha amin’ny TOMPO mba hitsahatra ny kotro-baratra sy ny havandra, dia halefako ianareo fa tsy hotazoniko intsony.


Ny alika miverina amin’ny loany ary ny adala miverina amin’ny hadalàny.


Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy.


Ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mponina tao Jerosalema dia samy nandray anjara tamin’izany fifanekena ampahibemaso izany avokoa ary nanaiky tsy hampanompo intsony ireo lehilahy sy vehivavy eo an-tanany, fa samy handefa azy ireny ho afaka. Samy nanaiky izany fifanekena izany avokoa ny olona ka namela ny mpanompony handeha.


Koa tonga tamin’i Jeremià ny teny avy amin’ny TOMPO nanao hoe:


Kanjo niova hevitra ianareo sady nanao tsinontsinona Ahy, fa samy namerina indray ireo mpanompo lahy sy vavy izay efa nalefanareo handeha ka nanery azy ho andevo indray.»


I Tsedekià mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany;


Ny tafiky ny Farao dia efa niainga avy tany Ejipta rahateo; koa raha nandre izany ny Babilônianina, izay teo am-panaovana fahirano an’i Jerosalema, dia nihataka kely niala an’i Jerosalema.


Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: «Inona no hataoko aminao, ry Efraîma? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon’ando izay levona vetivety!


Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!


Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.»


Nasehonao tamiko androany ny hatsaram-ponao, fa tsy novonoinao ho faty aho na dia efa natolotry ny TOMPO teo an-tananao aza aho.


Hoy kosa i Saoly hoe: –Nanota tokoa aho, koa miverena, ry Davida zanako; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy taminao ny aiko androany. Nitondra tena toy ny adala aho, ka mahatsiaro ho diso tokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra