Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 32:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray amin’ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin’ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray amin’ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray eto amin’ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 32:15
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa homeko lanjany ny tenin’ireo mpanompoko ary hataoko tanteraka ny fikasan’ireo irako. Ka hoy Aho amin’i Jerosalema: ‹Aoka honenana indray ianao.› ary amin’ny tanànan’i Joda hoe: ‹Aoka haorina indray ianareo.› Eny, hatsangako izay efa rava.


Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hovako ny anjaranareo, ry fianakavian’i Israely ka hiantrako ny tokantranonareo. Haorina indray eo amin’ny havoany. ireo tanàn-dehibe tsirairay avy ary eo amin’ny toerany taloha ireo trano tsara tarehy.


Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.


«Amin’izay ny olona tambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin’ny tany, isan’izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin’ny biby fiompiny.


Hambolenao voaloboka indray eny amin’ny havoanan’i Samaria ka ireo mpamboly no hioty ny vokatry ny famboleny.


–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Raiso ny dikan’ny taratasy fifampivarotana voaisy tombon-kase sy ny dika iray misokatra, ka apetraho ao anaty siny tanimanga mba ho voatahiry maharitra ela.


Eny, efa saika eo am-pelatanan’ny Babilônianina izao ny tanàna; koa nahoana Ianao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, no nandidy ahy hividy io saha io ka handoa ny vidiny tolo-botsotra teo anatrehan’ny vavolombelona?


Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.


Ao izy no honina am-pilaminana ka hanorina trano sy hamboly voaloboka; eny, honina am-pilaminana izy satria hampiharako famaizana ireo rehetra manodidina azy ka nanao tsinontsinona azy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.»


Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra