Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 3:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Amin’izany fotoana izany, hoy ihany ny teny hentitry ny TOMPO, dia hanjary ho maro sy hitombo be dia be ao amin’ity tany ity ianareo. Tsy horesahina intsony ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanako. Tsy ho ao an-tsain’ny olona intsony izany fa hohadinoiny, tsy hisy ho manina azy na hanao Vatamasina hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo dia amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no tsy hitenenany intsony ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary tsy hosaintsaininy akory izany sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanamboatra vata hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Amin’izany fotoana izany, hoy ihany ny teny hentitry ny TOMPO, dia hanjary ho maro sy hitombo be dia be ao amin’ity tany ity ianareo. Tsy horesahina intsony ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanako. Tsy ho ao an-tsain’ny olona intsony izany fa hohadinoiny, tsy hisy ho manina azy na hanao Vatamasina hafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo, amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - amin’izany tsy hisy intsony ny hilaza hoe: «Ny fiaran’ny faneken’i Iaveh!» tsy ho mby ao an-tsaina akory izany, tsy hisy hahatsiaro na ho manina an’izany intsony, na hanao anankiray hafa indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany hianareo, Dia amin’izany andro izany, hoy Jehovah, No tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran’ny faneken’i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, Sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, Na hanao fiara intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin’ny tany ianareo dia amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, no tsy hitenenany intsony ny vata misy ny faneken’NY TOMPO; ary tsy hosaintsaininy akory izany sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanamboatra vata hafa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 3:16
24 Rohy Ifampitohizana  

Ny fianakaviana kely indrindra ho tonga olona arivo, ary ny fianakaviana osa indrindra hanjary firenena mahery. Izaho TOMPO mihitsy no hanafaingana izany amin’ny fotoana tokony hahatongavany.


Haorina indray ireo zavatra rava fahiny, hatsangana indray ny trano nirodana taloha; hohavaozina ny tanàna rava, dia ireo efa simba hatry ny ela be.


Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao ka tsy hotsarovana intsony ny habakabaka sy tany taloha na ho mby ao an-tsaina akory aza.


Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.


Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana. Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak’i Jakôba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.


«Indro avy ny andro, izay hanapariahako olona sy biby fiompy manerana ny fanjakan’i Israely sy i Joda tahaka ny fanapariahana voa afafy eo an-tanimboly. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


«Haveriko avy any an-tany avaratra izy ary hangoniko avy any am-bazan-tany. Ao avokoa mbamin’ny jamba sy ny mandringa, ary ny bevohòka sy ny tera-bao. Eny, vahoaka be no hiverina.


Aza miantehitra amin’ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin’ny TOMPO, eto no tempolin’ny TOMPO, eto tokoa no tempolin’ny TOMPO!›


Fony mbola tsy nanombinana aza izy, tsy azo nanaovan-javatra; mainka rehefa may sy lanin’ny afo izy, dia tsy azo anaovana na inona na inona intsony.


Hanao fanekempihavanana aminareo Aho, dia fanekempihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.


Indro Aho hamoaka baiko mba hisivanana ny taranak’i Israely mba hosivanina any anivon’ny firenena rehetra tahaka ny anasivanam-bary amin’ny sivana ka tsy hisy vato latsaka amin’ny tany.


«Amin’izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin’izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina.


I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna.


Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an’i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra