Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 29:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no tao anatin’ny taratasy izay nampitondrain’i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ny sisa amin’ny loholona voababo sy ho amin’ny mpisorona ary ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra izay nobaboin’i Nebokadnezara ka noentiny avy tany Jerosalema ho any Babilona,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Izao no teny voasoratra ao amin’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia mpaminany, avy any Jerosalema, ho any amin’ireo sisan’ny loholona voababo, ho an’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra, nentin’i Nabokodonozora avy any Jerosalema ho any Babilôna;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY izao no fitenin’ny taratasy izay nampitondrain’i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ny sisa amin’ny loholona voababo sy ho amin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin’i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona (

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no tao anatin’ny taratasy izay nampitondrain’i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ny sisa amin’ny loholona voababo sy ho amin’ny mpisorona ary ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra izay nobaboin’i Nebokadnezara ka noentiny avy tany Jerosalema ho any Babilona,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 29:1
16 Rohy Ifampitohizana  

ary nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina mpanjakan’i Joda sy ny reniny mbamin’ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tamin’ny taona fahavalo nanjakany.


Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Dia nanoratra ny tantaran’izany zava-nitranga izany i Môrdôkay, ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ny faritany isan-tokony, na akaiky na lavitra, manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa.


Dia maty tamin’ny volana fahafito tamin’iny taona iny tokoa i Hananià mpaminany.


Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».


«Ianareo kosa, ry babo rehetra izay nasain’ny Tompo nentina avy eto Jerosalema hankatỳ Babilôna, mihainoa ny tenin’ny TOMPO.


«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.


«Rehefa tonga any Babilôna ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;


Toy izao no vakin’ilay taratasy nampitondraina azy roa lahy: «Izahay apôstôly sy loholona havanareo dia manolotra ny fiarahabana ho anareo havana hafa firenena monina any Antiôkia sy Siria ary Silisia.


Fa na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako, dia tsy anenenako ankehitriny. Nanenenako ihany izany nony hitako fa noseranin’alahelo ianareo.


Jereo amin’ny havaventin’ny soratra fa tanako mihitsy no anoratako ho anareo izao.


Mangataka aminareo aho, ry havana; raiso tsara izany lahateny fampaherezana izany, fa teny fohifohy ihany no andefasako azy an-tsoratra aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra