Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 28:6 - DIEM PROTESTANTA

6 ka nanao hoe: –Eny, enga tokoa anie mba ho araka izay nolazainao no hataon’ny TOMPO! Hotanterahiny anie izay nambaranao ka haveriny avy any Babilôna hanketo indray ireo fanaka rehetra tao an-tranon’ny TOMPO miaraka amin’ny babo rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Eny! Amena! Hoy Jeremia mpaminany; hataon’NY TOMPO anie izany! Hotanterahin’NY TOMPO anie ny teninao izay nolazainao ny amin’ny hampodina ny fanaky ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny babo rehetra hiala any Babilona ka hiverina ho amin’ity tanàna ity indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 ka nanao hoe: –Eny, enga tokoa anie mba ho araka izay nolazainao no hataon’ny TOMPO! Hotanterahiny anie izay nambaranao ka haveriny avy any Babilôna hanketo indray ireo fanaka rehetra tao an-tranon’ny TOMPO miaraka amin’ny babo rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 ka hoy i Jeremia mpaminany: «Amen! Hataon’i Iaveh anie izany! Hotanterahin’i Iaveh anie ny teny vao avy novinaninao, amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh mbamin’ny babo rehetra, ho amin’ity fitoerana ity indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon’i Jehovah anie izany! hotanterahin’i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin’ny hampodiana ny fanaky ny tranon’i Jehovah mbamin’ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin’ity tanàna ity indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Eny! Amena*! Hoy Jeremia mpaminany; hataon’NY TOMPO anie izany! Hotanterahin’NY TOMPO anie ny teninao izay nolazainao ny amin’ny hampodina ny fanaky ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny babo rehetra hiala any Babilona ka hiverina ho amin’ity tanàna ity indray.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 28:6
22 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Benaià zanakalahin’i Jôiadà namaly ny mpanjaka: –Amen! Izany no tenin’ny TOMPO Andriamanitrao, ry andriamanjaka.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary ny vahoaka rehetra niredona hoe: «Amen!» sy hoe: «Ankalazao ny TOMPO!»


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay! Ary aoka ny vahoaka rehetra tafangona hilaza hoe: Amen! Haleloià!


Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.


Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!


satria latsain’ny fahavalonao, TOMPO ô, izaho mpanjaka voahosotrao; eny, latsain’ny fahavalonao aho na aiza na aiza andehanako.


Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny.» Dia novaliako hoe: –Eny tokoa, ry TOMPO.


Tsy izaho no nanery Anao hanafaingana ny loza, Tompo ô, na nirary hiavian’ny antambo. Fantatrao tokoa izany, satria niharihary teo anatrehanao izay hafatra naloaky ny molotro.


Moa tokony hovaliana ratsy ve ny soa? Nefa izy manomana fandrika hamely ahy Ianao kosa, ry Tompo, aoka hahatsiaro fa nitsangana nitaraina teo anatrehanao aho mba hialan’ny fahatezeranao taminy.


Ka alohan’ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain’i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilôna.


–Raiso ny fanomezana entin’i Helday sy i Tôbià ary Jedahià, ka mankanesa izao anio izao any an-tranon’i Jôsià zanakalahin’i Tsefanià, ilay novantanin’izy telo lahy raha vao tonga avy tany Babilôna izy.


ity rano mitondra ozona ity anie no hiditra ao an-kibonao ka hampivonto azy sy hahamomba anao!» Dia hamaly ravehivavy hoe: ‹Amen! Ho tanteraka anie izany!›


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]


Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an’Andriamanitra, hataon’izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly «Amen» ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao.


koa Izy no ilay «eny» mahatò ny fampanantenana rehetra nataon’Andriamanitra. Izany koa no anton’ny anononantsika ny «Amen» amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ho voninahitr’Andriamanitra.


dia ilay Velona; efa maty Aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manam-pahefana amin’ny fahafatesana sy amin’ny Toeran’ny maty.


Tamin’izay ny *loholona 24 sy ny zava-miaina efatra dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ilay sezafiandrianana, ka nanao hoe: «Amen! Haleloià!»


–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Laôdisia: «Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ny zavaboaarin’Andriamanitra:


Dia novalian’ny zava-miaina efatra hoe: «Amen!» Ary ny loholona kosa niankohoka sy nitsaoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra