Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby eny ambonin’ny tany tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina, ka manome azy ho an’izay tiako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ny heriko lehibe sy tamin’ny sandriko nitsotra; ary nomeko ho an’izay sitraky ny foko ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby eny ambonin’ny tany tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina, ka manome azy ho an’izay tiako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Izaho no nanao tamin’ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny teny sy ny olona mbamin’ny biby eto ambonin’ny tany, ary manome azy ho an’izay tiako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ny heriko lehibe sy tamin’ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an’izay sitraky ny foko ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ny heriko lehibe sy tamin’ny sandriko nitsotra; ary nomeko ho an’izay sitraky ny foko ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:5
54 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Izay mandatsaka ran’olona dia halatsak’olona koa ny rany, satria mitovy endrika amin’Andriamanitra no nanaovany ny olona.


satria nandre ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,


«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia. Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda.


Nanome azy fanjakana sy firenena maro Ianao, dia nitsinjara ho azy ny faritanin’ireny, ka lasany ny tanin’i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna sy ny tanin’i Hôga mpanjakan’i Basàna.


Ka hoy aho hoe: «Andriamanitra ô, aza alainao eny antenatenan’ny androm-piainako aho; fa ny taonanao tsy mba ho tapitra rahoviana.»


Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny TOMPO kosa no nanao ny lanitra.


Fa enina andro no nanaovako ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Aho tamin’ny andro fahafito. Izany no nahatonga Ahy TOMPO nitahy ny andro sabata sy nanokana azy ho Ahy.


Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


Izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin’ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an’ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ny mponina miriaria ao; eny, izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra amin’ilay mpanompo voafidiny:


Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohòka, dia indro milaza aminao hoe: «Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy.


Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona monina eo amboniny. Izaho no nanenjana ny lanitra tamin’ny tanako sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra.


Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan’ny tany; ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.


Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao, Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany. Fa tsy mitsaha-mangovitra isan’andro ianao eo anoloan’ny fahatezeran’ny mpampahory, izay toy ny efa mikendry hanimba anao. Kanefa aiza izao ny fahatezerany?


sady asaovy ampitainy tsara amin’ny tompony avy ity hafatra ity: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ka hampitainareo amin’ny tomponareo:


–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny fahefànao, ka tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.


Tamin-kery no nanaovan’Andriamanitra ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.


Napetrany eo ambany fifehezanao koa ny olombelona sy ny biby eny an-tsaha ary ny voro-manidina; eo ambany fifehezanao ireny, na aiza na aiza itoerany, ka ianao no nataon’Andriamanitra ho mpanjakan’izy rehetra; ianao izany no ilay loha volamena.


«Didin’ireo anjely fatra-piahy no anaovana izany zavatra izany mba hahafantaran’ny velona fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany; ary mety ny olona farany ambany aza no asandrany eo.


Nahita hazo iray lehibe sy matanjaka ianao, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny tany tontolo izy.


Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.


Dia tanteraka tamin’i Nebokadnetsara mpanjaka avokoa izay rehetra nambaran’ny nofiny.


Ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an’i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza.


–Adray rey olona! Nahoana no manao izao ianareo? Olombelona tahaka anareo ihany izahay! Manambara ny Vaovao Mahafaly aminareo izahay, ka manainga anareo handao ireto sampy tsy mahasoa ireto ary hitodika amin’ilay Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao aminy.


Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan’olombelona.


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


Dia ho tonga ao akaikin’ny Hamônita ianareo, kanefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.»


Firenena lehibe sy maro isa ary olona ranjanana tahaka ny Hanakita ireo, nefa naringan’ny TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Hamônita; dia nandroaka ny Zamzomita ka nonina nisolo azy ny Hamônita.


Eny, Izaho TOMPO Andriamanitrareo efa nitahy anareo tamin’izay rehetra nataonareo. Fantatro ny nandehananareo namaky ity taniefitra midadasika ity; satria efapolo taona izay no momba anareo Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy nanan-java-mahory ianareo.»


Dia hoy ny TOMPO tamiko: «Aza mandrafy ny Môabita ianareo na mila ady aminy fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria ny faritr’i Hara dia nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.»


Raha nanome zaratany an’ireo firenena ilay Avo ka nampiely ny taranak’olombelona, dia nozarazarainy am-paritany ireny araka ny isan’ireo anjely:


na sarim-biby miaina etỳ ambonin’ny tany, na sarim-borona manidina eny amin’ny habakabaka,


Rehefa ela hitoerana eo amin’ilay tany ianareo ka hiteraka sy ho loa-jafy, dia aza mihasimba toetra ka hanao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo araka ireo endri-javatra isan-karazany ireo, na hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ka hampahatezitra Azy.


Diniho ange ny andro fahagola talohanareo, manomboka hatreo amin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olombelona tetỳ ambonin’ny tany. Saintsaino ange ny zava-mitranga manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny. Moa efa nisy zava-dehibe niseho na re tahaka izany ve?


Ianareo no nampahitany an’izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.


«Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho maro andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin’ny tany omeko anao.


Kanefa, Tompo ô, ireo no vahoaka fanananao, izay navoakanao avy tany Ejipta tamin’ny herinao lehibe sy sandrinao nahinjitra.»


Tao aminy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra any an-danitra sy eto an-tany, ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana. Tamin’ny alalany sy ho Azy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra.


fa amin’izao andro farany izao kosa dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika. Io Zanany io no naharian’Andriamanitra izao tontolo izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra.


«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery. Fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, sady noho ny sitraponao no nisiany sy naha ary azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra